Teny amin’ny Rovan’Antananarivo aho (tohiny)


Teny amin’ny Rovan’Antananarivo aho namaly ny fanasan’ny Filohan’ny Repoblika noho ny fahavitam-panarenana ny Lapan’i Besakana sy Manjaka­miadana. Efa tafarina tamin’ireo fitondrana teo aloha ny Fiangonana Tranovato sy ny Lapan’i Mahitsielafanjaka. Ary indrindra indrindra ny Fasan’ny Mpanjaka dia ny Fitomiandalana sy ny Fasan’ny Lahy ary ny Fasan’ny Vavy, izay niantsorohan’ny taranaka (taona 2003). Raha levon’ny afo Anatirova manontolo, ny 6 novambra 1995, dia ny vaton’ny Lapan’i Manjakamiadana sisa no nijoalajoala halan-drivotra teny an-trafon’ny vohitr’Antananarivo. Masaky ny afo loatra anefa ireo vato maro ka dia voatery narodana tanteraka i Manjakamiadana vao naverina amin’ny endriny ivelany nahafantarana azy hatramin’ny androndRanavalona II (taona 1872). Efa safidin’ny Fitondrana tamin’izany andro izany (mars 2005) ny hanaovana azy ho tranom-bakoka manaraka ny fenitra iraisam-pirenena, hany ka ny tao anatiny dia niova tamin’ilay Lapa hazo natsangana tamin’ny andron-dRanavalona Reniny (taona 1839). Nilavo lefona sy nanangana saina fotsy ny Fanjakan’i Madagasikara ny 30 septambra 1895. Ny alin’ny 21 novambra 1895 no nisy alim-Pandroana farany tao Manjakamiadana. Vao noroahin’i Gallieni hiala tao Anatirova ny Mpanjaka Ranavalona III, tamin’ny alin’ny 27 febroary 1897, dia vakoka avy hatrany ny Lapa. Nozimbain’i Gallieni, nasainy nosokafana, noloarana ary nafindra toerana ny Fitomiandalana tao amin’ny Rovan’Antananarivo sy ny Rovan’Ambohimanga (14 marsa 1897). Andrianampoinimerina (niamboho 1810) sy Ranavalona (niamboho 1861), izay nafenina teny amin’ny Rovan’Ambohimanga, dia nafindran’ny Vazaha ho ao amin’ny Rovan’Antananarivo. Ny Andriamanjaka merina tsy mba atao Famadihana, Ny Andriana tsy aronjin-doha : nanao izay danin’ny kibony tamin’ireo ny olon’i Gallieni tamin’io taona 1897 io. Iraikamibifolo amby zato (111) taona taty aoriana, raha nanontany ny Ministeran’ny Kolontsaina ny amin’ny hamerenana eny Ambohimanga ireo Andriana voafindra taty Antananarivo, dia namaly ny Jaky Mena, fikambanan’ny Zanakandriana sy ny Zazamarolahy ary ny Andriamasinavalona, ny 29 jolay 2008 : «Noho ny fanidin’ny taranaka Jaky Mena ireo fasana ireo, sy ny tahotra mafy ny hanota fady, ka sanatria hilolohavan’ny ankehitriny sy ny taranaka ho avy ny tsiny sy ny tody, dia sitrakay sy telinay indrindra ny hitazonana hijanona amin’izao ireo Masina ireo, araka izay efa nipetrahany izao. Ary satria fantatray tsara fa na nisy aza ny famindrana dia nisy tamin’ireo taolambalo sy vovoka no tsy voahetsika tany Ambohimanga sy tao amin’ny fitomiandalana atsimo teo Antananarivo, dia irinay indrindra ny hiverenan’ny hasina sy ny maha-izy azy ireo amin’ny «fanafoana» amin’ny tranomasina velaran-tsihy ireo nitoeran’ny fitomiandalana fahiny». Io toerana zary adino ao amin’ny Rova atsimo io, dia eo avaratra atsinanan’i Besakana, atsimo atsinanan’i Manjakamiadana, am-pototry ny rafi-bato nitondra ny Lapan’i Manampisoa. Ny fanetren-tena mety ho fahambonian-toetra. Ny fiziriziriana mety ho fahafaham-baraka miaraka. Raha samy mihoatra ny voninahitra kely tsangan’olona, afaka mitsinjo ny tombotsoan’ny firenena. Samy mamolaka ny hambom-po mba tsy hampihenjan-droa ny tady, ka hahatapaka tanteraka ny fifampihavanana. Ny fanasana manokana ny taranak’Andriana, tamin’io andron’i Besakana sy Manjakamiadana io, dia SANTATRY NY METY HO fiaraha-miasa vaovao, anatin’ny fifanajana sy ny fahalalam-pomba.
Plus récente Plus ancienne