Mamalan-kira indray VANF : Savika etsy, rorona eroa : korontana manontolo


Maty Fafah Mahaleo : nandrasana «Palais des sports». Nodimandry Dadah Mahaleo : nandrasana «Palais des sports». Fanararaotra ny tranga tao anatin’izay tapa-bolana izay hametrahana fanontaniana manitikitika : fa iza marina moa no tokony andrasana ao amin’ny Palais des Sports ? Tsy voafaritra mazava mantsy hatramin’izao ny fepetra fara-fahakeliny fenoina vao mendrika izany. Efa hita nifanesy tao Rakoto-Ratsimamanga (1907-2001) «savant» malagasy voalohany (mpamorona ny menaka ahosotra «Madécassol» sy ny «Madéglucyl» fitsaboana «diabète») ; Rado (1923-2008) poety fanta-daza sy mpamoron-kira nikoizana ; Zafy Albert (1927-2017), Filohan’ny Repoblika taloha ; Fafah (1954-2019) sy Dadah (1954-2019) tarika Mahaleo izay tsy zoviana, na eto an-toerana na amin’ny Gasy any am-pitan-dranomasina fa mandrotsirotsy ny andavanandro hatramin’ny 1972. Tsy iadian-kevitra ny toeran’izy dimy mianaka ireo, teto amin’ny firenena ary tamin’ny sehatra nisy azy avy. Tokony hiainga amin’izay «tsy iadian-kevitra» izay ny famaritana antsipirihiny ny fepetra hentitra hiakarana «Palais» sy ahazoana fiandrasam-paty makotroka ambany fiahian’ny Fanjakana. Efa nahitana mantsy, karazan’olona tsy hay ahoana akory, fa noho ny fahafantarana an-dranona sy ranona dia «tafakatra palais». Misavika, hoy isika, sady maneso. Rehefa maty hasina ny toerana tokony ho henim-boninahitra, dia toa sanatria mandrorona izay tena mana-talenta, izay tena miavaka, izay «tsy iadian-kevitra», raha hifangaroharo ao amin’ny tranon-takatra nidiram-borondolo. Io, tahaka ny «Grand Commandeur» zarazaraina toa mofo gasy : very hasina. Dia aleon’ny hendry sy ny manam-panahy manaja tena, miaingitra, mihataka ho ankibe. Ary, «Palais des sports» marina tokoa ve no toerana natao ho an’izany fiandrasam-paty izany ? Sao Tranompokonolona no mety kokoa, ka tokony ho havaozina sy hatsaraina tahaka izany isan-tanàna. Amin’izay ihany koa, arakaraka ny laza ananana no «hiakarana» ombieny ombieny : Tranompokonolona amin’ny Fokontany, Tranompokonolona amin’ny Firaisampokontany, Tranompokonolona amin’ny Fivondronampokontany, Tranompokonolona amin’ny Renivohi-paritany, izay vao Tranompokonolona amin’ny Renivohi-pirenena. Tsy izao ikelimalaza isam-pokontany rehetra izao ka hitomaniana «hakarina» Renivohi-pirenena. Io savi-tsaranga io ihany koa mantsy dia efa taratry ny fiaraha-monina mikorontana. Rehefa mifamototra ny vovonana tokony hiadian’ny lohany sy ny tsihi-ladim-paladia, ka ny rambo hialoha ny sanga ary ny talenta songonan’ny kiantranoantrano, tsy mahagaga raha mitsongolo-batita ny firenena.
Plus récente Plus ancienne