Accueil » Chronique » Mahita volana alohan’ny Abib, voaloham-bolana jiosy
Chronique

Mahita volana alohan’ny Abib, voaloham-bolana jiosy

«Mahita volana alohan’i Habiby» hoy ilay fiteny zary lasa fiteny, very tadidy ny tena dikany sy ambarany. Dia nisy nandika hoe satria «Habib», Arabo lahy mpanandro ka nahay nijery volana. Fanontaniana kosa : sao «Abib», voaloham-bolana jiosy, no tokony zahana satria dia miteny ho azy tokoa raha hoe «mahita volana alohan’ny Abib».

Manome vahana ny fiheverana fa nisy Jiosy teto fahizay. Misy fomba sasany tokoa ahitana taratra izay kolontsaina jiosy izay. Tsiahivina vetivety fa ny Torah jiosy no lasa Testamenta Taloha ao amin’ny Baiboly kristianina, ary ny fifadiana kisoa arahin’ny Silamo dia fomban’ny Jiosy hiringiriny (Levitikosy 11, 7 ; Deoteronomia, 14,8), efatra arivo taona mialoha iretsy fivavahana roa hafa teraka tao amin’ny faritany Palestina-Arabia.

Ohatra roa hafa ihany koa, ahitana taratra izay kolontsaina jiosy izay. Izay tsy midika fa «Israelita zanak’Isiraely» arapoko ireo olona ireo. Misy lovantsofina anakara, ohatra, milaza fa Jiosy nandalo Mekka ry zareo : voatery nandositra rehefa tonga ireo mpitondra ny finoana vaovao, dia ny fivavahana «mahometana» silamo.

Ao amin’ny Levitikosy 21, 1 : «Mitenena amin’ireo mpisorona zanak’i Arona hoe aoka hianareo tsy hisy hiditra am-paty eo amin’ny fireneny». Levitikosy 21,4-10 : «Tsy hiditra am-paty hametaveta ny tenany izy satria Andriana eo amin’ny fireneny izy (…) tsy hanasola ny lohany izy (…) aoka tsy hirakaraka volo na handriatra ny fitafiany».

Fony maty i James Hastie (18 oktobra 1826) dia nanaitra sady nanafintohina olona maro ny nandehan’ny Mpanjaka Radama teny Antsahavola : satria Ny Andriana tsy miditra am-paty. Fomba nolovaina tamin’ny kolontsaina jiosy.

Taona 1826, mbola tsy vita dikateny gasy ny Baiboly. Taona 1835 izany vao tanteraka. Hevero, meteza amin’ny toeran’ny Andriamanjaka tamin’izany, dia Ranavalona (1828-1861), raha mandre io vakiteny etsy ambony io, anefa ny fomba amin’ny fisaonana Andriana miamboho dia : miborivolo ny ambanilanitra, dia miala satroka sy tsy miankanjo ny lehilahy, ary miala akanjo ny vehivavy, dia tsy misampina fa miteri-helika ny lehilahy sy ny vehivavy (TA, 259). Misy ity fanampim-panazavana ity ao amin’ny Tantara ny Andriana : «tsy ampitoviana ny fanao fisaonana ny andriana amy ny fanao fisaonana ny vahoaka ; koa amy ny andriana boriam-bolo, ary ny any vahoaka rakarakambolo» (TA, 259 tovana 1).

Mbola Levitikosy 4, 1-4. Ary Jehovah niteny tamin’i Mosesy ka nanao hoe : «Mitenena amin’ny Zanak’Isiraely hoe : Raha misy olona manota tsy nahy ny didin’i Jehovah amin’izay tsy tokony hatao ka mandika ny anankiray amin’ireny: raha mpisorona voahosotra no manota (…) dia aoka hanatitra vantotr’ombilahy tsy misy kilema izy (…) ary hametraka ny tanany amin’ny lohan’ny vantotr’ombilahy». Sombilahy…

Raha ny Tantara Ny Andriana dia «Ralambo no nahitana ny besavily» izay novany ho ondry (TA, 147). Ra-lambo (Ra-omby izany raha teny indoneziana) ihany koa no nahitana ny jamoka ho omby (TA, 145-147), izay biby tsy nohanin’ny Vazimba (satria ve ry zareo Hindoa-sanskrity ?). Fanontaniana : ilay hoe «Ra-lambo no nahitana ny besavily/ondry» sao dia tsy raisina ara-bakiteny fa midika hoe ireo «Zafiraminia no niakatra Ankova/Imerina niaraka tamin’ny biby efa voatanisa ao amin’ny Testamenta taloha ? Ny biby fanao sorona, ao amin’ny Testamenta Taloha, izay ny Bokin’ny Torah jiosy, dia ny omby (ho an’ny mpisorona), na ny osy na ny ondry (ho an’ny sarambabembahoaka). Biby nahazatra tamin’ny faritra Israely-PalestinaArabia izany : «Hotahiana ny ateraky ny biby fiompinao dia ny ateraky ny ombinao sy ny ateraky ny ondry aman’osinao» (Deoteronomia 28, 4) ; «Ary ny vahiny honina ao ka hiandry ny ondry aman’osinareo» (Isaia 61,5).

Ny Vazimba homana lambo (lamboresy no niantsoana ny kisoa) fa tsy nihinana jamoka/omby. Nahoana no ny voambolana indoneziana «lambo» manondro ny «omby» no lasa niantsoana ny «kisoa-dia» ? Nahoana ny voambolana indoneziana «a-su», manondro ny «amboa/alika», no tonga niantsoana ny «ki-sua»? Ny fadinteny dia fanomezana hasina manokana ny teny iray : «soherina», ohatra, izay nisaloran’ny Mpanjaka Rasoherina (1863-1868), ka nahatonga ny voambolana vaovao hoe «zana-dandy».

Izay fadinteny niteraka ireo fiovana ireo no trandrahana manaraka «hitsilovana» ny Gola sy Fahizay. Sao nisy kolontsaina jiosy tokoa teto anefa tsy omentsika haja ho andro tsy fiasana handraisan-karama.

1 commentaire

Ce formulaire recueille votre nom et adresse e-mail afin que nous puissions valider votre commentaire. Veuillez consulter notre politique de confidentalité afin de prendre connaissance sur la façon dont nous protégeons vos informations.
Je consens à ce que L'Express de Madagascar collecte mon nom et email..

Cliquez pour commenter

  • Tsy voalazanao ny momba ny famorana. Anisan’ny fototra maha-Jiosy io, nanomboka tamin’i Abrahama (Genesisy 17.11-25) ka nitohy tamin’ny taranany taty aoriana. Ankehitriny koa dia manakaiky ny 100%-n’ny lehilahy malagasy no voafora.