Nitombo indray ny isan' ny mpanaramaso ny asa sy ny lalàna sosialy. Nanatanteraka fianianana tetsy amin'ny lapan'ny Fitsarana Anosy ireo mpitsirika asa sivy mianadahy avy ao amin'ny sekoly nasionaly misahana ny fitatanan-draharaha eto Madagasikara (Enam), omaly. « Amin'ny ankapobeny dia tsy mahafeno ny filàna ny isan'ny mpanaramaso ny asa sy ny lalàna sosialy satria mbola 130 eo ho eo no am-perinasa eto amin'ny firenena amin'izao fotoana izao. Izany indrindra no antony hanaovana ny fandraisana mpiasa isan-taona ary hirariana ny mbola hitohizan'izany satria ny ankamaroan'ny orinasa eto dia avy amin'ny sehatra tsy miankina avokoa », hoy Tandra Herman, tale jeneraly momba ny fanarahamaso ny asa sy ny lalàna sosialy. Maro be ny adidy miandry ny mpanaramaso ny asa satria ny olana misy eo anivon'ny mpiasa sy ny mpampiasa eo anivon'ny sehatra tsy miankina no ho vahan'izy ireo sy hanoloran'izy ireo hevitra. « Amin'ny ankapobeny dia misahana ny fanelanelanana eo anivon'ny mpiasa sy ny mpampiasa eo anivon'ny orinasa tsy miankina ny mpitsirika asa. Tsy maintsy izy ireo ihany no manome vahaolana ho an'ny roa tonta raha toa ka tojo olana sy fikorontanana, indrindra ny fitsinjovana ireo mpiasa marefo », hoy hatrany ny tompon'andraikitra. Araka ny fanazavany dia tsy ny mpitsirikasa no mitory orinasa raha toa ka misy ny fahadisoana ataon'ny mpampiasa fa miankina amin'ny lalàna ataon'ny mpitsara ihany. Fanomezana Rasolomahery