Chronique

Mitango eritreritra

Mitango anana aho dia lasa saina. Mahatsiaro zavatra bitika taloha. Tsy dia hoe taloha mankaiza ihany koa anefa fa fony fahazaza fotsiny. Tamin’izany fotoana izany, harombe mavesatra no zakaina mody na avy etsy Anjoman’Analakely na avy any Andravoahangy. Saingy mitovy ny tsy maintsy atao raha vao tonga ao an-trano : mandamina ny tsena. Isan’ireny ny mitango anana, mitsimpona patsa. Zavatra tsy inona saingy mampitamberina fahatsiarovana.

Isan’ny mampilofo ahy hiady fo ho an’ny tanimbary, farihy sy dobo ny fitiavako mahita patsa sy trondro maina, irony hazandrano tena laoka ara-bakiteny, atobaky ny mpivarotra an-tsahafa eny an-tsena. Toa mahafinaritra izany ny mieritreritra fa hazan’ireny rano manodidina antsika ireny izy ireo. Izy ireny ve no manadio ny rano iainany, sa ny rano madio no mahavelona azy…

Manihika, misaka, mamovo, mamintana, manjono : teny efa ho dila amin’ny andavanandrontsika an-tanan-dehibe ireo. Indrindra raha mitohy tsy misy farany izao fanotofana etsy sy eroa izao. Mampalahelo sahady ny mieritreritra hoe io Laniera ranobe io, indray andro any, ho ritra lasa tanimena tahaka ny farihy taloha tetsy Imerimanjaka. Taloha, mba voaaron’ny fady ny toerana tahaka ireny satria betsaka ny rano noheverina ho fonenan’ny Vazimba ka nohajaina noho izany.

Lasa lavitra koa izany eritreritro izany anefa dia mitango anana fotsiny no niandohana. Ka rehefa mifantoka miondrika eto dia lasa saina ho azy. Ahoana moa izany ny zaza ankehitriny : taloha, na dia tsy nitoto vary aza, mba nahita laona sy nahalala fanoto ary nandinika ny akoho manenjika ny fotsimbary mitsipika an-tsahafa. Ankehitriny, efa vary madio anaty «sachet» no vantanina. Fahiny, mba nahalala ny feon’akoho te-hanatody : izy ilay mikakàka fa tsy mikohokoho. Tsy mbola voavaly iza no taloha ny atody sa ny akoho fa ny hany azo antoka dia tsy avy hatrany dia «omelette» na «oeuf sur plat» am-bilia ny tapotsiny sy ny tamenaka.

Toa misy dikany ihany mihitsy ny hamerenana ireny «potager scolaire» ireny. Ny ovy, loarana an-tany. Ny voatavo, mandady. Ny voatabia, otazana. Ny reniakoho manatody, dia mikotrika, vao mitarika : ny akohokely mantsy biby manan’aina fa tsy «doudou». Nanisana, «station agricole» taloha fa tsy ny «lotissement» ankehitriny, nisy «salon de l’agriculture» mba nahitana ampahany ny santionany. Enga anie ny ankizy ka tsy ho any amin’ny «zoo» sisa vao hahita ny omby sy kisoa ankoatra ny henany efa voarasa, voakapa ary voatetika eny amin’ny mpivarokena.

Isan’ny mba hanaovako antso avo ho an’ny tsena Alakamisy etsy Mahamasina, izay hany sisa tsenan’ny Tantsaha afovoan-tanan-dehibe. Avahana avy hatrany aloha ny vokatry ny tany sy ny friperies mameno toerana ary maharatsy endrika ny tanàna ka tsara ahilika teo. Ka io tsenan’ny Tantsaha io ho lasa tsena-vakoka, milamina, mirindra, manan-toerana madio sady malalaka : karazam-bary teratany efa tsy fahita (rojofotsy, kalila, roka, sns), anana samy hafa efa tsy fandre (anapatsa, anamafaitra, anatsinahy, dimbinantsy, telorirana, ngitakely, sns), voankazo marevaka maro loko, patsa sy trondro maina, ovy, voatabia, vomanga, saonjo, katsaka, tsaramaso, voanjobory. Mba hiverina hanan-kasina tahaka izay nandaharan’Andrianampoinimerina azy hoe : «Izao tsenako izao, lapako, toraka an’Ambohimanga sy Antananarivo sy izao tendrombohitra roambinifolo izao» (Tantaran’ny Andriana, takila 867).

Commenter

Ce formulaire recueille votre nom et adresse e-mail afin que nous puissions valider votre commentaire. Veuillez consulter notre politique de confidentalité afin de prendre connaissance sur la façon dont nous protégeons vos informations.
Je consens à ce que L'Express de Madagascar collecte mon nom et email..

Cliquez pour commenter