Fony izahay mbola mpianatra dia nampamakiana kelikely ihany ilay «Teny napetrak’Andrianampoinimerina tamin’ny zanany sy ny olona maro tamin’ny taona 1810». Io taona io no niamboho Andrianampoinimerina, nodimbiasan-dRadama vao Ranavalona tompon’ny farany izay nanjaka naharitra, telo amby telopolo taona : 1828-1861. Ny ombiasin-dRanavalona no nitahiry izany lovantsofina izany, ary efa taty amin’ny andron-dRasoherina izy no nandrakitra azy an-tsoratra, ny 11 alahamady 1866.
Ho fifampizarana fifampitaizana dia tsara ho fantatra ankehitriny ny fahendren-drazana mbola tsy tontan’ny ela. #Tany_Teny_Tantara mbola hitohy.
Indro Dama apetrako aminareo, koa tsinjovy mandeha, aza avela hitsanga-menatra fa ndrao isika matimaso ; alao faditra fa ny tolapaditra zava-mahery ary alao tonon’andro fa ny tonon’andro tsy maha lehilahy.
Ity Fanjakantsika ity finaribavan’Andriamasinavalona ka napetrany tamin’Andriantsimitoviaminandriana sy Andriambelomasina, koa navelan’ny Roambinifolomanjaka amiko sy ianareo, ka apetrako aminareo sy Damalahy (…) voin-tenanareo raha ho avelanareo hamono maso ahy Dama, ka tsy hino ny teninareo, fa tsy azy anie ny Fanjakana fa anareo : ianareo no vaky loha sy tapa-pe sy lany mondron-kery sy nanao ny ainareo tsy ho zavatra, raha tsy izaho Imboasalama tsy hanana an’i Besakana.
Ianareo Lehiretsy no hanao sy handidy ka aza entinareo meloka Laidama, fa raha meloka Andriana, lava vero ny tany ; aza ampangidinareo hoditra (…) aleo adala Andriana toy izay ho adaladala loholona. Fa ny tsara mpihevitra, Andriamahafiadana.
Dama ô, ny hery tsy mahaleo ny fanahy, fa ny soa anie, ao anaty ny ratsy, ka ataoko manan-jara samy hanjaka ialahy, hotroniny ireo ombilahy antitra ireo.
Raha ataon’ialahy tsara tohana ireny, tsy maniry haolo ianao (…) aza atao resy momba antsika ireny, aza avela haloizonolon-teny fa izaho no nanana itony tany itony, ireny no ampingako tsy laitry ny bala sy lakato efitry ny lefona, ireny no nanao vy very (…) tsy mba sahy hanome vohony anao ireny tsy akory fa aza atao sola manara-dia, aza atao fotsivolo mitohizo-poana, fa ny maty misy fanovany ary ny velona manantandindona.
Commenter
Ce formulaire recueille votre nom et adresse e-mail afin que nous puissions valider votre commentaire. Veuillez consulter notre politique de confidentalité afin de prendre connaissance sur la façon dont nous protégeons vos informations.
Je consens à ce que L'Express de Madagascar collecte mon nom et email..