Tapitra mbola Hitohy


Mbola tsy leo ihany ny Gasy: 1972, 1991, 2002, 2009, 2018. Ataon’ny olona kilalao, sorona, tohatra. Fa tsy mety leo. Izaho tsy mihaino radio, tsy mijery télé, tsy mamaky gazety, hatramin’ny 2009. Leo ny «politika» gasy. Aleoko manokana ny saina aman’eritreritro amin’ny Trano Gasy tiako tandrovana, ny Vohitra tsy tiako kikisana, i Betsimitatatra tsy foiko ho tototry ny ranon-tany, Ikopa tsy zakako ho ritra, ny ala ho ozon’ny taranaka raha lasa kitay. Misy zavatra hafa lehibe lavitra noho ny «politika» hahasoa an’i Madagasikara. Tsy korontan-dava toy ny tamin’ ny 1972, 1991, 2002, 2009, 2018. Tany, Teny, Tantara. Kolontsaina, Zava-boahary, Tontolo Iainana. Raha tianareo tahaka izao Ravalomanana, maninona no naongana tamin’ny 2009. Raha halanareo tahaka izao Rajoelina, maninona no notohanana an-dalambe tamin’ny 2009. Raha (ho) embonanareo sahady Rajaonarimampianina (atsy ho atsy), maninona no nikomiana tamin’ny 2018. Raha nohobianareo tahaka ireny Ratsiraka 1996, nahoana no nompaompaina tamin’ny 1991. Ary raha nitsetsetra an’i «Dadabe Tsiranana» tao anaty ngidin’ny sosialisma, inona marina no nanaovana ny mey 1972. «Ni Iavoloha, ni 13 mai», hoy ny lahatsoratro 12 aogositra 1991. «Sady tsy Iavoloha, no tsy 13 mey»: vao 21 taona aho dia efa naha­- tsapa fa, na tsy tomombana aza ny ao Iavoloha, tsy fahagagana ny eny amin’ny 13 mai. Fanontaniana tsy mbola nahitam-baliny: iza no diso kokoa, ny olona mitarika ho eny Iavoloha na Ambohitsorohitra, sa ny olona miaro an’Iavoloha na Ambohitsorohitra? Raha vao lany lainga mantsy ny eny ambony lampihazo, dia mitarika ny «vahoaka» hananika «zone rouge». Sorona. Nihatsara ve Madagasikara taorian’ny 1972, 1991, 2002, 2009, 2018? Raha ny fomba efa hita fa tsy nahomby, indroa, intelo, inefatra, tsy azo hantenaina intsony hanova ny vintan’ny firenena. Izaho tsy nandingana ny 13 mai: na 1972, na 1991, na 2002, na 2009, na 2018. Manahy anefa aho fa misy olona efa teny tamin’ny 1972, mbola nankeny tamin’ny 1991, mbola niverina 2002, mbola tsy afa-po 2009, mbola tsy leo 2018. Dia izy ireny ilay omen’ireo mpitari-tolona anaram-boninahitra hoe «vahoaka», mandra-pahazoan’izy lohandohan’ny mpisorona ny fitondrana. Rehefa eo amin’ny fitondrana mantsy, lasa sakaizan’ny EMMO-REG avokoa indray. Iza ireo nandoro ny tranon-dRazanabahiny-Marojama Jérôme tamin’ny 1991? Iza no nandroba ny tranon-dRazanamasy Guy tamin’ny 2002? Iza no nandoro ny tranon’i Guy Rivo Andrianarisoa tamin’ny 2009? Vahoaka e, Tolona e, Demokrasia e: toe-tsaina sy fihetsika nahazoan’ny firenena henatra sy tondro-molotra imason’izao tontolo izao. NY MFM, malaza ho mahay politika aza, vita ankilabao ka lasan’ny «Hery Velona Rasalama» ny laka, anefa Francisque Ravony no efa niomana hifanandrina amin-dRatsiraka amin’ny fifidianana 1993. Raha izy samy mpanao politika no mifamitaka sy mifamingana, efa sitrapo. Saingy ny fanomezan-danja ny kabary poakaty dia famotehana sesehena sady sesisesy an’i Madagasikara. Zavatra tsotra anefa no nandrasana tamin’izy rehetra nifandimby teo: fivelomana mendrika, fahasalamana tombombana, fandriampahalemana lavorary, fanabeazana hisondrotana, ny rariny sy ny hitsiny. Lalana, Jiro sy Rano. Ny Malagasy tsy mila kisa rehefa tsy ilam-baniny: aza mangalatra ny volam-bahoaka, aza mivarotra ny harem-pirenena, aza mihaingo ambony tsikokom-bahoaka. «Ni Iavoloha, ni 13 mai»: misy olona tsy manana saina sy fanahy hahatakatra an’izany. Rehefa tsy azony tamin’ny 1991 izany toetra izany, dia halany 2002, halany 2009, halany 2018, halany 2021. Isika mijoro amin’ny hevitra, rizareo manompo olona: saingy izy no befeo miara-mirona, avo vava mivondrona. Mampalahelo fotsiny, ilay fahafoizan-tenan’ny Gasy hirodobe mitsitapitapy, tsy mba voavory isan’andro amin’ny zavatra bitika anefa mandrafitra ny fiaraha-monina manontolo: mivondrona tsy handoto, miara-mirona tsy hanimba. Mitabe hiala amin’ny toe-tsaina 1972, 1991, 2002, 2009, 2018.
Plus récente Plus ancienne