Famoronana - Orinasa kely hamokatra harona plastika tsy manimba tontolo iainana


Fanamboarana harona plastika,vita amin'ny lafarinina mangahazo no tetik'asa iray ezahin'ny tovovavy efatra hotanterahina. Mbola tsy ampy anefa ny vola eo am-pelatanan'izy ireo hamokarana ity vokatra ity. Mikasa hanokatra orinasa kely miandraikitra io mihitsy mantsy izy ireo. Izany dia mba hanamorana ny filàn'ny mponina amin'ny fiainana andavanandro sy ho fanampiana ireo tovovavy valo ambiny folo ka hatramin'ny efatra amby roapolo taona, ka tsy afaka nanovo fahalalana kanefa manana fikirizana. Manentana ireo orinasa afaka mamatsy ara-bola azy ireo noho izany i Rasamoelina Andréa, Rajaonarivelo Louva, Rafalimanana Rova ary Randrianirinaharisoa Finaritra, izay mpikambana ao amin'ny sokajy « biotech », nandritra ny fanofanana ho mpitarika nokarakarain'ny fikambanana Youth First. Mba ho fanajana ny tontolo iainana dia vokatra natoraly, ahodina amin'ny fomba tsy hanimba ny tontolo iainana ity tetik'asa kasain'izy ireo hatao ity. Tovovavy ao anatin'ny fahatanorana tanteraka izy efa-bavy satria dia manodidina ny sivy ambiny folo taona eo izy ireo. Samy efa eny anivon'ny anjery manontolo avokoa. Na dia mbola kely aza anefa ny taonany dia feno fahamatorana sy fahavononana hanatanteraka ity vinan'asa ity izy ireo. Teo amin'ny faha-folo taonany teo no nifankafantaran'izy ireo tao amin'ny sampana Mpanazava « Scout» ary nanomboka teo ny finamanana. Na dia tsy nanana eritreritra ny hamorona aza izy ireo dia teraka ho azy teny izany, noho ny fisian'ny dinikasa manofana ho mpitarika ny tovovavy 18 ka hatramin'ny 24 taona, karakarain' ny « Youth First », izay fikambanana mandrisika ireo tovovavy vao misandratra hanatanteraka ireo nofinofiny sy hahombiazan'izy ireo amin'ny sehatry ny asa. I Louva sy i Rova no nanan-kevitra handefa ny antontan-taratasy ilaina hidirana ao amin'ny « Youth First » ary tamin'izany dia efa fantatr'izy ireo ny vina ho tanterahina raha toa ka voaray hanaraka ny fiofanana izy ireo. Voaray soaman-tsara izy ireo ary nanaraka ny fiofanana nandritry ny telo volana. Ny namporisika azy ireo Nanatanteraka ny fanehoana ny vokatra izy ireo taorian'ny fiofanana. Tsy fanofanana hanatanterahana ny vinavinan' asa nokasaina akory no ampianarina ao fa fanofanana eo amin'ny fomba fisainana sy fomba fijery ary ny fihetsika tokony hatao manoloana ny toe-javatra iray. Nahatonga azy ireo hanana fahatokisan-tena sy fikirizana ny fidirany teo anivon'ny « Youth First », ary nanampy azy ireo hanatanteraka ny nofinofiny amin'ny alalan'ny fandraisana andraikitra. Ny faha 29 ny volana may teo no nivoahan'ny andiany faha dimin'ireo ankizy valopolo nampiofanin' ny « Youth First », izay nisy azy efatra mirahavavy ireto, ary izy ireo no nahazo ny laharana voalohany tamin'ireo vina rehetra naseho ny mpitsara sy ny tompon'andraikitra avy ao amin'ny fikambanana. Helifetra Randriaminovololona
Plus récente Plus ancienne