Ady malalaka - Hifanazava ambony ringa i Xenah sy Nanie Cynthia


Samy matanjaka ary samy henjana. Andriambavi­lanitra isan’ireo andrasan’ny mpijery fatratra amin’ny « Pride-Gasy» (nadika tamin’ ny hoe Mpiady-Gasy) andiany faharoa izay ho tanterahina ao Ambatondrazaka amin’ny tolokandron’ny asabotsy 18 jiona ho avy izao, i Xenah sy i Nanie Cynthia. Mpikatroka haiady izay samy mahafehy tsara ny « Full contact », ny « karate », ny « lutte» ary ny « kick boxing » ireto hisolo tena an’Antananarivo sy Ambatondrazaka ireto. Ekipa roa avy ao Ambaton­drazaka moa no hifandona amin’ny ekipan’Antananarivo amin’izany. « Ny hoe ady malalaka, dia tsy hoe fifanandrinana hanaovana fihetsika na fifamelezana amin’izay danin’ny kibo akory, fa misy ny fitsipika mifehy ny lalao. Amin’ny maha lalao azy, dia voarara, ohatra, ny kaikitra, ny totoloha sy ny totokiho na ny atao amin’ny alalan’ny lohalika. Tsy azo atao koa ny mikasika ny faritra misy ny taovam-pananahana miampy ny tratra ho an’ny vehivavy, ary toy izany koa ny manao izay hampitsirara ny mpifanandrina ho tafavoaka ny ringa. Maro be ireo fitsipika tsy azo dikaina, ary efa fantatry ny mpifanandrina avokoa izany», hoy ny fanazavan’i Me Razafin­dratsima Andry, isan’ireo mpikarakara fototra an’ity haiady mifangaro ity. « Ny iavahan’ny Pride-Gas amin’ny seho haiady rehetra, dia afaka mifanandrina, ohatra, ny mpikatroka karate  iray sy ny mpiangaly lutte, toy izany koa ny kick boxing  sy ny full contact.», hoy ny mpikarakara nanohy nanazava. Hery Fils Andrianandraina
Plus récente Plus ancienne