Chronique

Didy tokana

Korea atsimo, Singapour, Taïwan, Vietnam ary Shina : ireo no firenena manana traikefa amin’ny coronavirus. Efa nizaka ny SRAS (Syndrome Respiratoire Aigu Sévère, 2003) sy ny MERS-Cov (Middle East Respiratory Syndrom-related, 2012) izy ireo.

Miatrika ity Codiv-19 ity, ny firenena hafa rehetra, isan’izany Madagasikara, dia samy manavao sy mitsapatsapa hany ka tsy atao mahagaga loatra, na dia mety manafintohina aza, ny fisian’ny mandroso-mihemotra amin’ny fanapahankevitra.

Hatramin’ny OMS mantsy aza misalasala : tokony hisarom-bava-sy-orona avokoa ve sa tsia ? Hatramin’ny alatsinainy 30 marsa, izany hoe telo volana katroka taorian’ny nanambarana ny valanaretina, mbola hoe tsy ilaina ny mametraka sarom-bava sao tsy ampy ny sarom-bava ho an’ny mpitsabo. Ny olona marary ihany no nasaina nametraka sarom-bava-sy-orona fa ny hafa rehetra nafarana hanaja elanelana iray metatra. Ny zoma 3 avril 2020 vao nekena fa mety hevitra tsara ihany koa raha misarom-bava-sy-orona avokoa ny rehetra. Io iaraha-mahita amin’ny haino aman-jery sy Facebook io ny manjo ireo firenendehibe tandrefana : Italia, Espana, Frantsa, Britaina, Amerika. Nandroso nihemotra: hanakaton-trano sa hanafitafy varavarana ? Hiriaria malalaka fa hanoka-monina kosa izay ahiana sy ireo efa marary ?

Ankoatra izany fanontaniana izany, mbola eo koa ny olana ara-pitaovana: tsy ampy ny sarom-bava. Shina no mahavita manamboatra 120 tapitrisa isan’andro, Taïwan 13 tapitrisa isan’andro, Korea atsimo 10 tapitrisa isan’andro, fa ny firenena hafa rehetra tsy vonona amin’izany. Ny tena anton’ilay fisalasalana dia hevi-diso : nihevitra ny governemanta isan-tokony fa ho anjarany no hanamboatra sy hizara sarom-bava-sy-orona ho an’ny olona tsirairay. Zavatra tsy azo heverina akory izany : na Shina aza, tsy hahavita hamatsy ny olona tsirairay any aminy, indrindra raha hoe ho soloina isan’andro.

Teo no teraka tsikelikely ny hevitra fa ny tsirairay avy anie dia afaka manamboatra sarom-bava-sy-orona ho azy fa tsy voatery ho ny Fanjakana. Fantatra fa tsy ho sarom-bava FFP2 izany, fa lamba tsotra natevenina taratasy na lamba matevin-drary manivana rivotra maloto, saingy ny lehibe indrindra dia ity : sarotra kokoa ny hipariahan’ilay aretina raha samy misarom-bava-syorona, izaho miaro anao, ianao miaro ahy.

Raha nanana fanetren-tena ny firenen-dehibe, izay tahafin’ny firenen-kafa, dia efa taloha elan’izao no nindramina ny hevitra sy fomba nitondran’ny tany Korea, Taïwan, Singapour sy Vietnam ny azy. Noho ny traikefa voalaza etsy ambony. Natoka-monina tanteraka ny ahiana sy ny marary, natao ny fitiliana faobe. Efa hatrany am-boalohany ihany koa ny mpitsabo Sinoa no nilaza fa nampiasa chloroquine nanasitranana ny marary saingy ny Tandrefana lany andro miady voninahitra : teto koa dia tokony natoky avy hatrany ny Tatsinanana isika.

Ny tsikera ankoatra izay tsy azoko loatra. Toa lasa Filoha sy Ministry ny Fahasalamana ary Dokotera tampi-pahaizana avokoa ny vahoaka manontolo. Tsy eto Madagasikara ihany fa manerana ny firenena rehetra : resabe tsy misy farany, sahala amin’ny hoe mahafantatra inona ankoatra izay eo am-perinasa, ny olona an-tapitrisa. Amin’ny vanim-potoana tahaka itony anefa, indrindra fa mbola anatin’ny ady tanteraka, dia tahaka ny fitondra-miaramila : mpanome toromarika iray, tanjona tokana, fanatanterahana iarahana satria hahafaty ny atsasa-manila andaniny izay indro kely ataon’ny atsasany ankilany.

Commenter

Ce formulaire recueille votre nom et adresse e-mail afin que nous puissions valider votre commentaire. Veuillez consulter notre politique de confidentalité afin de prendre connaissance sur la façon dont nous protégeons vos informations.
Je consens à ce que L'Express de Madagascar collecte mon nom et email..

Cliquez pour commenter