Arahaba Tratry ny Asaramanitra, fa ny lohataona mbola ho avy


Adin’akoholahin’ny mpianakavy : ny marani-fantsy tsy hobiana, ny rovi-tsanga tsy akoraina. Nisy adin’akoholahy tokoa tetsy amin’ny «Kianjan’ny Kanto» tetsy Mahamasina, ny alin’ny Asaramanitra. Fomba fanao nahavariana ny Nta-Olo (ny «ulun», any amin’ny nosy Bornéo na Kalimantan, misy ny teny Maanjan/Barito Atsimo-Atsinanana) misy fihavanana betsaka indrindra amin’ny teny malagasy, dia mitovy dika tanteraka amin’ny «olona» aty amintsika) efa hatrizay ny adin’akoholahy. Mandra-piandry ny Fanjakana hanara-dia, tsara sahady raha ny vahoaka, amin’adin’akoholahy tahaka izao, no mahatsiaro ho tompon’ny Asaramanitra. Ny Fanisan-taona no mampiady eto Imerina : ara-masoandro tahaka ny tamin’ny andron’ny Nta-Olo Vazimba, sa ara-bolana tahaka ny hatramin-dRalambo nandova ny havan-dRenibeny Zafi-Raminia ? Tsotra kokoa, mora lavitra, vakiana fotsiny satria misoratra amin’ny zava-boahary, raha fanisan-taona mifantoka amin’ny toe-tany sy toetr’andro. Ireo tsy miovaova tahaka ny «miova Andriana, miova sata». Radama II mantsy dia efa nikasa hamindra ny «Fandroana» hifanandrify amin’ny daty gregoriana nahaterahany. Maty novonoina mialoha izany moa izy ka tsy tanteraka izany ary notanan-dRasoherina ho Tsinan’Alamahady no Fandroana. Ranavalona II dia nisafidy ny datin’andro nahaterahany ho Fandroana, dia toy izay koa Ranavalona III. Rehefa lasa Repoblika ny tany ka tsy misy intsony «Andriamanjaka-am-perinasa», dia toa fahatsiarovam-piandrianana sisa ilay «Alahamady» izay notanana teny Anosimanjaka sy tamin’ny Vohitra hafa (Ambohi­manambola, Andramasina, Ambohimiarina, Analanakoho-Zanakantitra, Ankaratra) ka tsy nahenika mihitsy ny firenena manontolo, raha ny eto Imerina fotsiny aza no asian-teny. Ity A-Fara-Rano Man-Asara-Taona ity, «Fararano iotazana», manaraka ny taom-pamokarana, izany hoe miankina amin’ny toetany sy ny toetrandro, no mety haharesy lahatra ny vahoaka maro. Tsy misy ady voninahitra isam-bohitra, tsy misy sarangam-pirazanana. Tsy misy tompony, tompony daholo. Iza ireo Zafi-Raminia ? Ny hoe «Ramini», amin’ny teny arabo, dia ilay nosy Somatra any Indonezia. Ny Zafi-Raminia anefa, nisy nandeha Atsimo-Atsinanana namonjy ny faritra Anosy, ary nisy niakatra Afovoantany nihazo ny tany Betsileo sy Imerina (cf. Gabriel Ferrand : Rakoba, vehivavy Zafiraminia, tonga Alasora nanambady Vazimba), dia mitanisa Razambe avy any Arabia. Mety niara-dia tamin’ny Onjatsy Antanosy izay taranak’ireo tantsambo avy any Indonezia fantatra fa nonina tamin’ny faritr’i Arabia tany amin’ny taonjato faha-9 : «Sayabiga», Olon’ny Zabag (Sri-Wijaya na Java). Raha ny fintantaran’i Flacourt (taonjato faha-17), izay niresaka tamin’ireo Zafiraminia tany Anosy, dia tonga tao Avaratr’i Madagasikara tany amin’ny taona 1150 tany ho any izy ireo vao nianatsimo hatrany nanaraka ny morontsiraka Atsinanana. Aôstrôneziana nahazo volontany silamo angaha izy ireo, saingy tsy nanaja ara-bakiteny loatra ny fomba silamo, hany ka roanjato taona taorian’ny nitodiany tany Anosy dia efa narian’ny olona tany ny ramadan. Tamin’ny kolontsaina nentin’ireo Zafiraminia ireo, dia tavela ny anaran’andro (Alatsinainy, etsetra). Ny anaram-bolana kosa (Alahamady, etsetra), dia ny Antemoro sy ny Merina ihany no mampiasa azy. Raha tany amin’ny Antanosy, lasa zanatany tanteraka ireo Zafi-Raminia hany ka tafajanona ny anaram-bolana indoneziana-sanskrita : «Manomboka amin’ny tsinam-bolana mars ny taona : Vatravatra, Safary*, Hatsiha na Valasira, Asotry, Fosa, Maka, Hiahia, Sakamasay, Sakave, Volambita, Asaramantsy, Asarabe na Asaramanitra» (Flacourt, Histoire de la Grande Isle de Madagascar, Chapitre XLII). Saingy, araka ny fandinihin’i Claude Allibert, raha mitovy tokoa ny voambolana, tsy mitovy kosa ny vanintaona tondroiny : raha jolay aty Madagasikara, desambra any India (Mangalore ?). Teto Imerina, nanomboka tamin-dRalambo ka hatramin’ny Fanjakan-dRasoherina, izany hoe nandritra ny enimpolo sy roanjato taona teo hoe eo (1600-1868), dia maty ny kalendrie sanskrita-indoneziana fa nosoloina kalendrie manara-bolana jiosy-arabo (Jean-Claude Hébert, Les calendriers saisonniers à Madagascar, Bulletin de Madagascar, n°260, janvier 1968, pp.42-85). Raha tiana ho latsa-paka ny fankalazana Asara-Afara-Rano, ankoatra ny adin’akoholahy, averina any an-tsekoly indray ny fitanisana-fanoharana ny anarambolana Nta-Olo sy ny anarambolana ZafiRaminia. VAKITENY MAHALIANA : Grandidier, COACM, VIII, p.254, note 2 : «Manomboka volana Martsa (21 Martsa) ny taona Antemoro sy Antanosy, tahaka ny fanisan-taonan’ny Hindo Tatsimo. Ny valo amin’ireo anaram-bolana ireo dia teny sanskrita ary ny fanisan-taona dia ara-masoandro na marimarina kokoa manara-kintana» : «L’année des Antemoro et des Antanosy qui partait du mois de mars (le 21 mars) comme celle des Hindous du Sud et dont huit mois avaient des noms d’origine sanscrite, était solaire ou plutôt sidérale comme dans le Sud de l’Inde». Jean-Claude Hébert, Recherches sur l’histoire et la civilisation malgaches, Bulletin de Madagascar, n°172, septembre 1960, pp.809-820 ; Bulletin de Madagascar, n°191, avril 1962, pp.339-352 : «Raha araky ny fizaran-taona, ASARA, ASOTRY, FAOSA, dia voambolana gola, “substrat”, navelan’ireo mpihavy Indoneziana taloha indrindra». Ohabolana merina : «Manan-jara samy hazo ny ambiaty : nahazo to tamin’Andriamanitra ka nataon’ny olona famantaran-taona noho ny tenin-drazana» ; «Tsy mba ny ambiaty mahita ny am-pon’ny lanitra aho» ; «Ny ambiaty ve no tsy mahalala taona sa ny ranonorana no manao vatravatra ?» Ohabolana betsileo : «Aza dia koa ambiaty : mahalala taona fa tsy misy voany hotazana» ; «Tsiparefare zokin’ahitsa, Ny masina zoky ny tarona, Ny volambita zoki-taona, Ny kiapa zokin’ny valala». Anganon’Ibonia : «Niherikerika (sa nanerikerika) ny Lanitra tany amin’Andriamanitra ; Nangorohoro ny Tany ; Noranorana ity Asara ; Nandrivodrivotra ity Asotry ; Nanihikihy ny Lohataona».
Plus récente Plus ancienne