Chronique

Mamalan-kira indray VANF – Mizanaka ny Nosy Malagasy

Dinika Nosy Malagasy, Ampitao ny Hafatrao. Ny hafatra tena hiampita dia ny fahafantarana misimisy kokoa ireo Nosy ireo. Sambany vao hisy sarintany maneho azy ireo amin’ny anarany teny gasy : Sambatra (Glorieuse), Nosy-Kely (Juan de Nova), Bedimaka (Bassas da India), Ampela (Europa). Dingana manaraka ny fangatahan’i Madagasikara hametrahana ireo anarana ireo any amin’ny Firenena Mikambana : ankoatra ny fanatsatohana sainam-pirenena eo amin’ny tany iray mantsy, dia ny fanomezana azy anarana, fanononana azy amin’ny tenim-pirenena, no tena mizanaka ilay Tany na Nosy.

Dimanjato taona farafahakeliny, talohan’ny taona 1488 nidiran’ny Eoropeana ny Ranomasina Indiana misy an’i Madagasikara, no tombanana ho nahatongavan’ny Razambe voalohany teto avy any Azia Atsimo-Atsinanana. Karazana sambo lehibe, azo tahafina amin’ilay vita fandra-bato amin’ny toeram-pivavahana Borobudur ao Java (Indonesia), no nitety ny Ranomasina Indiana : misy niampita tsikelikely tamin’ny India sy Sri Lanka, Arabia, Afrika, Kômôro ; mety nisy ihany koa nahavita nanao hitsin-dalana («route directe») tahaka ireo sambo Ammana Gapa sy Sarimanok, izay nahavita izany dia-an-dranomasina izany tamin’ny faramparan’ny taonjato faha-20.

Ny lakampiara misy fanarina dia hita ao Kômôro, eto Madagasikara ary any Azia atsimo-atsinanana. Tsy nanidina ireny fa nitety ranomasina ny olona nifindra-monina taty amin’ny andrefan’ny Ranomasina Indiana.

Na ny niavian’ny anarana hoe Madagasikara aza mbola mahavaky ny lohan’ny mpandinika sy ny mpikaroka. Tsy tahaka ny Arabo na ny Eoropeana ny Razambentsika : iretsy mantsy zatra manome anarana izay tany rehetra sendra azy. Ohatra, ny teny hoe Kômôro, dia nanondroin’ny Arabo ny Nosy atsimo : Madagasikara miaraka amin’ny Maoré, Ndzuani, Mwali, Ngazidja, ireo nosy efatra samy manana ny anarany fa lasa nandova ilay anarana nitambarana fahiny hoe «Komr».

Ny anarana nifandovan-tsofina tsy nahaleo ny anarana voasoratra ary nifampizarana ombieny ombieny hita sy nianarana amin’ny sarintany. Tsetsatsetra tsy aritra : raha nananganan’ireo Portogey «nahita» (izay mantsy no dikan’ilay hoe «Grandes découvertes») azy saina teo Juan de Nova (1501), raha nozanahan’ireo Britanika «nahita» azy Europa (1774) : tsy Frantsa irery, izay «nahita» an’i Glorieuse (1751), no nifanandrina tamintsika ankehitriny.

Tamin’ny taona 1982, dia vaky mihitsy ny ady teo amin’ny Argentina sy ny Britanika noho ny nosy Malouines/Falkland. Miaramila arivo no namoy ny ainy, ka samy nahafatesana avokoa ny andaniny sy ny ankilany. Resy ny Argentina, ary hatramin’izao dia mbola saina britanika no mihofahofa amin’izany Nosy izany na dia tsy lavitra ny fari-dranomasina argentina aza no misy io vondronosy io. Fanontaniana manatsafa : iza no vonona ho faty ho an’i Juan de Nova ?

Commenter

Ce formulaire recueille votre nom et adresse e-mail afin que nous puissions valider votre commentaire. Veuillez consulter notre politique de confidentalité afin de prendre connaissance sur la façon dont nous protégeons vos informations.
Je consens à ce que L'Express de Madagascar collecte mon nom et email..

Cliquez pour commenter