Patra-baventy mamonto ny tany


«Fahavaratra ny andro, Orana no manjaka ety»: «Ratsy ny andro», hoy ry Mahaleo, «petsapetsa lava, izay rehetra hitanao». Sambany aho tsy mitovy hevitra amin-dry zalahy. Ilaina mihitsy ny orana. Aleo petsapetsa lava toy izay karakaina mandava-taona. Soa fa mifanojo amin’izany ity hiran’i Dama ity: Nahoana kay Ny olona ety no noana fahavaratra Ny tanin’izy ireo Dia tany halan’orana «Noana fahavaratra» satria ny «tany halan’orana». Anontanio ry zareo any Atsimon’ny Nosy. Vola sesehena no nato­- baka tany, efa enimpolo taona izao, fa toa tsetsefin’ny fasika hatrany hatrany ny pitipiti-drano sy herikerika: «Nahoana kay»? Betioky, Ampanihy, Tsihombe, Ambo­- vombe, Amboasary... Arivo kilometatra hono no ton talin’ny lalana amin’ny Fivondronana Betioky sy Ampanihy: 364 km no azo aleha mandavataona fa ny 536 km saro-dalana rehefa Fahavaratra ary 95 km tena tsy azo aleha rehefa avy ny orana. Avy izany ny orana: aiza ny dobo na farihy hanangonana ny rotsak’ orana tsy ho very an-driaka fotsiny? Sitrany ihany koa manamando ny rivotra, hi teraka rahona, hamon to ny tany, hanondraka ny ala. Mba tsy halan’orana intsony. Ny andro tena «ratsy» dia rivotra mifofo­- fofo sy vara-datsaka, fa raha mbola kotroka maredona sy tselatra mandrovitra ny aizina, fomba nentin-drazan’ny volon’andro Fahavaratra. Raha ny rivo-doza, fomban’ny Ranomasimbe Indiana misy an’i Mada­- gasikara. Indraindray, izay mety ho matetika atsy ho atsy, ny rivotra tondroi-molotra ho loza no hany sisa hanondraka ny zava­- boary kilan’ny doro-tanety sy matin’ny tevy ala. Mahonena loatra ny ony ritra sy ny riana karaobato sisa. Efa tamin’ny 1912 Rajonah Tselatra (1863-1931) no nanoratra izao: «Ny lanitra madio tsy misy rahona tsy hahazoana orana indray mitete. Avelao ihany hisamboaravoara ho tezitra ny rahona, fa amin’izay no hahalatsahan’ny soa nofihininy. Ny ranonorona dia mahasoa avokoa: fa raha kely, mananatra ny olona hamboly hazo; raha antonony, maro ny olona tsy ho mosarena; raha be loatra, manaitra ny olona hamboatra ny fefiny». Ny doro-tanety no fahavalo mandripaka ny manan’aina tanisain’Ny Avana Ramanan­- toanina (1891-1940): «hazo madinika sy alam-boaroy, fialokalofan’ny andiantsipoy; alan-jojoro singanin’ny herana, arosy mandalo, tsiriry miserana». Soa samy resy lahatra fa «ny patra-baventy mamonto ny tany» ary lasa fanantenana sy hataka «ny ora mijojo manao torirahona, ka toa tsy hisava fa mandra-maraina». Omentsika ho faranan-dRabearivelo (1901-1937): Mijononoka moramora ny orana avy hariva Ny alina madiva Hamonto an-torimaso ny lanitra sy tany.
Plus récente Plus ancienne