Fodilahimena miala jaky, fa hoe fararano ?


Vanimpotoana inona isika izao no toa mainka mamonto tany ny rano ? Setrin’ny «Fodilahimena mitafy jaky lohataona», nosoratako tamin’ny septambra 2022, tonga ity ny «Fodilahy miala jaky fararano» : ao alatrano ao, volana aprily 2023 isika ity, mbola misy «Fodilahimena, jila sy tia riaria». Ankoatra ny ambiaty, famantaran’ny Ntaolo ny taona, indrindra fambolena, toa ho lasa mpamantatra kalendrie ihany koa ireto fodilahimena tsy tia hahalala fararano ireto. Voron-kely mahafatifaty ahy mihitsy ny fodilahimena. Asa ny ambiaty, famantaran-taona (zahao «Teny Gasy : Ririnina sa Lohataona : ambiaty, famantaran-taona», 17 septambra 2022), raha marim-potoana any an-tsaha any, fa ny fodilahy mby ho mena, manambara fa atsy ho atsy ny lohataona. Fodilahimena, vorona kely tsara tarehy, mitaintaindava noho ny tahotra, ahiahy sy tebiteby. Ny fodilahimena ho ataoko resaka eto, tsy mba manao fodilahimena mitsindroka alina. Fa fahanana hahavelon-tsiky antoandro. Ametrahana fotsimbary ny sisin’ny varavarankely dia misy anankiray tamy manarangarana eo, mitsikilo haingana dia haingana, mihelina mora manandrana, dia rifatra mandositra, vao miverina moramora. Inona no mba eritreritrireo, satria matahotra sy mandositra olona izy, ka tsy mba lasa saina ve hoe iza no manatitra na fomba ahoana no misy fotsimbary isan’andro, ary maninona ? Ny fody no mihebiheby maso, mangala-pijery havia, miherika havanana : tahotra ny tora-bato sy ny fandrika hanambotra. Tsy tapitr’izay, tafatodika ivoho ; pihi-maso indray, kopak’elatra ery. Mahatsiaro ireto fody voafandrika hitadiavam-bola, etsy Ampefiloha, na eny Ankorondrano. Mampalahelo ny mahita ireo voronkely mikiokio tsy misakafo, tsy misotro rano, dainan’ny masoandro. Miriorio malalaka no vintany ka tsy azoko ny hamatopatorana azy. Ny ahy vary diso tompo, fahana fa tsy fandrika. Tonga izy : tsara ; tsy tonga : atao ahoana ; miverina : arahaba ; tsy tamana : soava dia. «Omeko veloma sy masina indrindra, ry tia findrafindra, Ry vorona jila sy tia riaria, fa vorona dia...», hoy Lala Rosat (gazety «Tanamasoandro», laharana 1564, 20 sep.1938). Fody am-balamparia hoy ity hainteny nataon-dRainizanabololona ity : «He ! rankizy, miandry fody eny am-balamparia ! He ! Ry zaza mikopa-damba miaro vary vokatra ! Aza miteny mahery, rahavana, fandrao manaitra ny voronay mbola sondriana ; ary aza mafy fiantso, sombin’aina, sao manabataba ilay fitatra tsy fohazi-matory. Tsy mba ny fody liam-bary vokatra anie iny, fa ny sorohitra mitsimpona ny latsaka ilalana. Iny no voro-miaingitra, voro-miangola, ka tsy mioty afa-tsy ny an-tendronkazo, ary tsy maka afa-tsy anoin-tsarotra. Iny no voro-mihaja, voro-miangoty, ka tsy tia ny ankabetsahana, tsy afa-pon-java-mitovy ; fa manana ny azy voafantina izy, ary mitoetra amin’izay notsongainy. Koa aza manasa-tena miheby izay tsy nokasainy ; ary aza sahirana miaro izay tsy heveriny. Ny tian’ny fony, hono, voatahiry an-karom-pito sosona ; ary ny mamin’ny kibony, voarakitra any saro-tadiavina, ka raha tsy ny tiana tsy amborahan-drakitra afenina. Sahondra maniry eny an-tampon’Ivodivato, hono, izy, rahavana, ka na viza-manombana aza Angavokely, ary sasa-manelatra ny eny Fody, dia tsy vaky vony hivelatra izy raha tsy midona tokana ny oran’Ankaratra» (gazety «Lakolosy volamena», laharana 109, 19 aprily 1912 ; nindramiko tamin’ny «Takelaka Notsongaina», nangonin’i Siméo Rajaona, Boky voalohany, takila 32). Misy tononkalon’Ny Avana, «Asakasakareo» (22 mars 1912), nasian’i Ramaroson Wilson feo ka lasa hira malaza : «Dobodoboka fomban’amponga, Tabataba ny maro kilonga, Horakoraka anjaran’akanga, Kalokalo fanaom-boromanga, Siontsioka fanaon-tsarivazo»... Ny vintsy tsy miakatra am-paria, ny fody tsy diso am-parihy. «Tsiriry sy arosy tsy miara-parihy, tsikirity sy fody mpiray lohasaha», «sorohitra tsy zatra ala», «arosy natakalo vorondreo, tsiriry natakalo vorompotsy, angaka natakalo toloho»... Maro tanisaina ny voronkely fa ny fodilahimena no ambetin-dresaka. «Ry vorona ery ! Ry rivo-mandalo !», hoy ny antson-dRabearivelo ao amin’ny «Fo Mitohy». Aza ny fody, hono, anefa, no hafarana, fa raha mahita vary izy, mipetraka. «Vorom-bary» tokoa ka nahavitan’ny taloha hira : «ny olona no sasatra teto, ny tenany manko no namafy, ny dinitry ny tavany ao, ny ainy nisy niala nankao, ny fanantenany natobany ao, koa nahoana ry fody, ianareo tsy nisasatra, ianareo tsy nifofotra, ianareo tsy nively vy, no hitsindroka ny vary ?» Ry vorona ery... Ry vorona jila sy tia riaria...ry vorona dia.
Plus récente Plus ancienne