Atsipy ny (Hain)-teny


«Tadio mandalo vohitra ka tsy manefahefa ny ravina fa mifioka manongo-paka». «Voloambo nasian-tadio, sasatry ny nirija ka mba hiretaka». Toy izany tokoa ny herin’ny zava-boahary raha ilay rivo-doza Batsiray namakivaky ny tapany atsimo indrindra fa atsinanana amin’ny Nosy. Tany lavitra Andriana ireny, miandrandra «Fandrosoana» marina mahavita ny filàna andavanandro sy mandavataona fa tsy tetikasa haitraitra mbola hanafintohina, indrindra raha mivangongo eto an-dRenivohitra. «Tsy satrim-parihy hitera-potaka, fa ao rà nanakobana» : ilay «raha» zary manome loko «rà» an’Ikopa (sy Betsiboka, sy Matsiatra, sy Mangoky, sy Mangoro, sy Manampatrana, sy Manambondro) dia tsy inona fa ny nofon-tany tokony fambolena anefa kaohin-driaka isam- pahavaratra satria ory ala hanelo ravina ary kamboty hazo hanorim-paka. Manatevin-kidoro isan’andro amin’ny «antsoro miongopaka manara-driaka ho antsanga» Ikopa ka efa hila hanao antsangory amin’ny fefiloha handindona an’i Betsimitatatra. Toy izany rahateo Sisaony efa nanafosafo vavany ny tetsy Ampitantafika-Fenoarivo. Toraka izany avokoa ireo renirano manerana an’i Madagasikara, vokin’ny fotaka avalan-driaka avy any andoharano. Toa tsy i Betsimitatatra eto Antananarivo ihany, raha ny sary hita ombieny ombieny tamin’ireo toerana nitondra faisana tamin’ny rivo-doza, fa «tatatra dibo-drano fivorian’ny tsiboboka ary hetrina maty hirika fitobian-tsifotra navalan-drano» avokoa ny faritra nilady an-deboka : iray fandrindrano aminy ka havoin’ny onja rehefa fahavaratra. Rehefa miverina amin’ny taniny ny rano, dia «mifanao veloma ny ampitan-drano, nosarahin’ny ony mitsivalana». Lasa ny saina : raha ho lasa rano monina ireny, sao tsy lalana intsony no fotodrafitrasa apetraka manaraka eo satria efa hatramin’ny Ntaolo ny hoe «tsy vonon-dakana, tsy hary tetezana» fa mahita hevitra amin’ny «lanimandry ho zahatra» ? Mba teny gasy nanjary iraisam-pirenena, dia ny hoe «Lavaka». Dia tsy inona fa «havoana nikaohin-driaka, valaky ny nijoro ka mba ho zary fampana». «Tsinjovy Ankaratra, tazantazano Angavokely, fa sao nietry, sao nitambotsotra, mba hiereko bonga fahatelo» : bonga hafa fahatelo aiza indray fa raha voakiky ho ranon-tany tokoa moa ny vohitra, ary lany tamingana ho gorodombato ny vatolampy, ho zinona intsony izay anarana hoe «Tendrombohitra Roambinifolo»? Mihohy fampana hilavoana ianareo manetry tendrombohitra hanotofan-tanimbary. Mitovy fanimban-javatra amin’iretsy mpanao doro-tanety nahaterahan’ny hainteny hoe «torin-tseva iray hadivory, foto-pirohana mameno tanety, raha handalo tsy hihombo, manjaria lavenona hitrebonan’ny ahitra». Ahitra inona, fa bozaka karakaina sisa. Ny anay, ny hafatra efa ombieny ombieny : «tsy sira latsaka an-drano na vato latsaka an-kona ka tsy mahay mitampody, fa antso an-dohasaha, raha ako, ka raha tsy misy mpamaly, mahay miverina». N.B. Ny Hainteny rehetra nampiasaina eto dia nindramina tamin’ny asa soratr’i Rajonah Tselatra. Ntaololahy teraka tamin’ny taona 1863 (nodimandry 1931) ary efa mpanolo-tsaina ny Praiministra Rainilaiarivony no mpikabary tao Anatirova fony Ranavalona III. Tokony ahiditra dieny fanabeazana fototra ny sangan’asan’ireny Ntaololahy ireny, tahaka an’Andriamifidy (teraka 1842) na Randzavola (teraka 1873). Fatratra loatra ny Haintenin’ny Ntaolo, izay nahiana ho very tanteraka raha tsy nampanangonin-dRanavalona I (nanjaka 1828-1861) «ho tehirizina mandrakizay». Raha tsy nisy ireny Hainteny sy Ohabolana ireny, tsy ho hary ny Kabary malagasy izay vao haingana no tafalahatra amin’ny vakoka iraisan’ny zanak’olombelona.
Plus récente Plus ancienne