Mamalan-kira indray VANF : Haody ry Analamangako...


6 novambra : mifanojo ny fampielezan-kevitra ho Ben’ny Tanànan’Antananarivo sy ny fahatsiarovana hoe 24 taona androany no may ny Rova. Ny Fitomiandalana, Besakana, Manjakamiadana...ry Iarivoko, ry Imerina... Ho an’ny Reniko, ny Ray aman-dRenin’ny namako na ny havako, ireo Zoky nahafantatra ilay Antananarivo nofisintsika an-tsary sisa, no hanasiako teny ny safidiko hanohana an’i Naina Andriantsitohaina. Tafitako ny hafatra raha izy ireny no resy lahatra hoe «Vita» ny hamerina ny toko telo nandrafitra ilay Antananarivo taloha : Antananarivo milamina, Antananarivo madio, Antananarivo mahate-honina. Dia ilay Antananarivo hitako anaty boky, mahatonga ahy mividy «carte postale», mahazaka maniraka ahy hikarakara «expo» mampiranty ireny sary ireny. Dia aoka izy ireo no hitantara amin’ny zafy, zanaka, taranaka, ny hakanton’izany Analamanga fahizay izany. Satria marina, ary mampalahelo loatra, fa ireo zaza teraka tao anatin’izay efapolo taona lasa izay, tsy mahalala afa-tsy izao Antananarivo maloto, be tabataba, mikorontana, mifanitsa-kitro ary mitohan’ny «embouteillages» izao. Izahay, taloha, nirahina nanary fako. Voahaja ny ora voafaritra hanariana fako, voahaja ihany koa ny fotoana fandraofana ny fako fa tsy misy fako mialon’andro lo sady mamofona herinandro ngarangidina. Ny daba-pako tamin’izany misarona sady mikatona fa tsy itony «fako afa-drakotra» andihizan’ny lalimanga ankehitriny itony. Izahay, taloha, niantsena teo Anjomà na tany Andravoahangy : ny voatabia, ny ovy, ny karaoty, ny anana samy hafa, ny voankazo rehetra, samy voatoko milamina eny ambony latabatra fa tsy misy ladina an-tany mifangaro amin’ny vovoka sy ny fotaka. Izahay koa, taloha, nandeha «bus» : notaizana miandry sy miala eny amin’ny «arrêt» fa tsy isak’izao tokonam-baravarana rehetra izao mampijanona fiara mpitatitra manelingelina ny mpandeha hafa rehetra ; nampianarina mitsangana raha vao misy olon-dehibe (na mitafy lamba na misatroka izy tamin’izany) na vehivavy bevohoka miakatra ; naleo mihitsy aza tsy nipetraka tamin’ny seza miloloha ilay soratra hoe «toerana voatokana». Zavatra tsotra dia tsotra toy izany, fihetsi-panajana sy fahalalam-pomba tsara taiza, soa fa notanisan’i Naina Andriantsitohaina tamin’ny kabariny. Isika eto, mpamaky ny lahatsoratro, tsy mila fampielezan-kevitra mitatatata roa-tokom-bolana vao mahalala hoe Antananarivo tahaka ny inona, ary Ben’ny Tanàna iza. Ny kabary zato, ny teny arivo, samy mandray izay tandrify azy fa ny zava-dehibe amiko, ity indray mitoraka ity, dia ny fahafantarako manokana an’i Naina Andriantsitohaina : azoko resahina mivantana, afaka ataoko tsilian-tsofina, mety hanimpazako hevitra indraindray. Nanao antso tamin’ny olon-drehetra izy, tsy nanavahana loko, tsy nitanisana firehana, ary hitako sy fantatro araka izany koa ny ankamaroan’ny mpanolo-tsaina akaiky azy : mizara ilay fahalalam-pomba voatanisa etsy ambony, dia ilay fomba tsotra, fifanajana, tsara taiza. Mizara koa izahay fitsipika, lamina, rindra : «ny lalana ho an’ny fiara, ny sisin-dalana ho an’ny mpandeha tongotra, ny tsena ho an’ny mpivarotra». Nahavita fahagagana kely iray sahady Naina Andriantsitohaina vao nitsangana ho kandidà : izaho tsy nifidy intsony mihitsy, na fifidianana inona na fifidianana inona, hatramin’ny novambra 1999, mba handeha handatsa-bato indray, roapolo taona aty aoriana.
Plus récente Plus ancienne