Asa tanana - Ifandovana ny fanenomana sy ny fiompiana landy


Na dia mitaky fotoana maro aza ny asa fanenomana, dia tsy mieritreritra asa hafa i Rakotomalala Jocelyn. Io no asa nilofosan’ny fianakaviana Rakotomalala etsy Anosipatrana hatrizay sy ampitaina amin’ny taranaka mandimby. Efa  nolovaina tamin'ireo razambe ny fiompiana landy ho an'ny fianakaviana Rakotomalala, etsy Anosipatrana. Izy mianakavy, izay samy miasa ao amin'ny koperativa ihany no manatontosa ny asa rehetra. Manomboka amin'ny fiompiana ny landy, hatramin'ny fanodinana izany ho lasa akora,  hahazoana lamba fitafy. « Ao anatin'ny iray andro dia efa mahavita manenona lamba fitafy iray ny mpanao tenona, izay mpiasa ato aminay ihany raha tsotra ilay izy . Mety haharitra iray volana kosa anefa izany raha misy kisarisary ny lamba hatao », hoy Rakotomalala Jocelyn. Maro ireo karazana dingana arahina vao mahazo ireny lamba landy ireny. Manomboka amin'ny fiompiana landy, ny fandrahoana ny atodiny, ny fakana ny kofehy, ny fanamainana izany ary miafara amin'ny fanenomana azy. « Misy karazany roa ny landy eto amintsika. Ao ny landy kely sy ny landy be », hoy ny fanazavan-dRakotomalala Jocelyn. Nomarihiny fa landy dia no hakana ny akora fototra amin'ny landy be, ka tsy maintsy mandehandeha any anaty ala izahay vao mahazo azy ». « Ny landy kely kosa dia ompiana toy ireny biby fiompy rehetra ireny », hoy hatrany izy. Fahanana ny ravina voarohy hazo isan'andro ny landy kely ka alohan'ny hiompiana azy dia ny fambolena voarohy hazo aloha no tsy maintsy hatao. « Tokony hanana foto-kazo 400 eo ny mpiompy iray vao afaka miroso amin'ny fiompiana landy kely », raha ny nambaran-dRakotomalala Jocelyn. Ao anatin'ny enim-bolana ihany no azo hiompiana azy satria tsy velona izy ireo rehefa tsy misakafo. Tsy mamoa anefa ny voarohy hazo raha vao main-tany. Telo taona aorian'ny fambolena izay vao mahazo voarohy hazo lehibebe. Eo izany vao azo atomboka ny fiompiana. Ny atodin-dandy no alaina, ary  andrahoina eo amin'ny 15 minitra eo farafahakeliny, izay vao mahazo ireny kofehy ireny. Efa misy fitaovana fanangonana ireo kofehy eo amin'izy ireo, ary eo amin'izany no hanamainana ireo kofehy. « Miloko volon-tany ireo kofehy azo avy amin'ny landy be, ary fotsy somary vasoka kosa ny avy amin'ny landy kely. Misy loko manokana kosa ampiasainay mba hanomezana fahafaham-po ireo mpanjifa » hoy izy nanazava. [caption id="attachment_5283" align="aligncenter" width="220"]Amin’ny tanana no ahodina ny milina fanenomana. Amin’ny tanana no ahodina ny milina fanenomana.[/caption]   Fikirizana Manomboka amin'ny Ar 15 000 ary mahatratra hatramin'ny Ar 600 000 no vidin-damba ao amin-dry zareo. Ny lambamena na ireny famonosana razana ireny no lafo indrindra. Tsy foin'izy ireo ity asa ity na dia mitaky fotoana maro aza ny fanodinana azy noho izy lova avy amin'ireo razambeny. « Efa taranaka fahaefatra izahay, ankehitriny no manao ity asa ity. Efa mahatratra any amin'ny fianakaviana 50 izahay no miasa sy manatontosa ity fikirakirana ny landy ity », hoy izy. Fahiny dia ny rainy no lehibe sady tompon'ny orinasa Rakoto-malala et fils Lambamena. Taorian'ny nahafatesany anefa, dia novaina ho lasa koperativa ny orinasa. « Izahay zanany dia samy manao io asa io avokoa ao anatin'ny orinasa.  Mba tsy hisian'ny fifandirana dia nosafidianay ny tsy hanisy mpitantana izany intsony ka avy dia natao koperativa. Mitovy izahay rehetra eto, tsy misy mpiasa sy mpampiasa fa samy mahatsapa tena ho tompon'andraikitra avokoa, » hoy hatrany izy. Mampiavaka ity ekipan-dry zareo ity ny fahazoany fiofanana. « Nihatsara kokoa ny asa vitanay taorian'ny fahazoanay ny fiofanana maoderina voarainay », hoy ihany izy. Asa mahavelona, saingy ilàna fikirizana sy fahazotoana ity fanodinana ny landy ho lasa lamba fitafy ity. Helifetra Randriaminovololona
Plus récente Plus ancienne