Chronique

Manao fomba «Tranozozoro»

Nahatsiaro ny 29 martsa 1947 isika vao haingana teo. Vitsy anefa no mahatadidy fa talohan’ny Menalamba (1896), talohan’ny V.V.S. (Vy Vato Sakelika, 1915), talohan’ilay fidinana an-dalambe tamin’ny 19 mey 1929, talohan’ny M.D.R.M. (1946), dia nisy Malagasy vitsivitsy nanana hambompo tsy hiankindoha intsony tamin’ny Misionera vazaha. Nanakoako teto Antananarivo, nahaliana ny Fiangonana hafa, ary nisahiranan’ireo Mpitandrina efa kalaza toa an-dry Andrianaivoravelona (1835-1897), izany trangan-javatra izany.

Antsampanimahazo no anaran’ny eo Ambatonakanga ankehitriny. Tamin’ny taona 1831, 29 mey, no niorina ny Trano Fiangonana voalohany teo Ambatonakanga. Taty aoriana, 22 janoary 1867, vao notokanana ny Tranovato ankehitriny. Nisy Fasam-bazimba hono teo Ambatonakanga taloha, teo ihany koa no nahavitana printy ny Baiboly amin’ny teny malagasy (21 jiona 1835).

Saingy, tamin’ny 1893, nifamaly ny mpitandrina roalahy, dia Thomas Trotter Matthews sy Rajaonary (nodimandry tamin’ny 1901). Tafintohina ny mpiangona gasy rehefa nakaton’ny misionera vazaha ny trano fiangonana, ny 8 oktobra 1893. Teo antokotany ary no nitarihan-dRajaonary ny fotoam-pivavahana mandra-pahazoana ny tany iorenan’ny «Tranozozoro Antranobiriky» ankehitriny : 5250 francs no vidin’ny tany, 15000 francs no voaangona hananganana ny Tranobiriky tamin’ny 1900.

Ambohitsimiankina no anarana feno eso niantsoana an-Tranozozoro tany am-piandohany. Lasa anaram-boninahitra anefa izany taty aoriana rehefa nisora tena ho «Tranozozoro» avokoa ny Fiangonana hafa nitady fahalalahana. Toy izany, ohatra, no nitranga tao Ambohitantely rehefa nifamaly tamin’ny FFMA sy MPF ny mpiangona Malagasy sasany (1903-1907). Toy izany ihany koa rehefa nisintaka niala tamin’i Mahamasina-Atsimo ireo Mpiangonana sasany ka nanorina ny Fiangonana Ankadilalana. Mbola toy izany ihany koa rehefa nikatona ny Fiangonana Analakely ny 22 martsa 1929. Rehefa leo ny fomban’ny misionera vazaha ny Mpiangona, na teto Imerina na tany Anindran-tany, dia milaza ny tenany ho «Tranozozoro» ry zareo.

Ekena fa nahitana soa ny asan’ny Misionera, raha tsy hitanisa afa-tsy James Cameron, izay maty teto Antananarivo ary milevina ao Ambatonakanga (4 oktobra 1875) : ny fanofanana mpandrafitra sy mpanao taozavatra hafa, ny fanaovana asa printy, ny Lapa Manampisoa, ny rafi-vaton’i Manjakamiadana. Tsangambato miezinezina tamin’ny asan’ny Misionera vazaha ny nahavitana ho amin’ny teny gasy ny Baiboly. Soa ihany koa nisy ireny «Vazaha Maintimolaly» ireny nahitana ny Rakibolana tamin’ny taonjato faha-19 : Dictionary of the Malagasy Language (Joseph John Freeman sy David Jones, LMS, 1835) ; Dictionnaire Français-Malgache (Joseph Webber, Jesoita, 1853) ; Malagasy-English Dictionary (James Richardson, LMS, 1885) ; Dictionnaire Malgache-Français (Antoine Abinal sy Victorin Malzac, Jesoita, 1888). François Callet (1822-1885), Jesoita nanangona ny «Tantara ny Andriana», dia indrisy maty talohan’ny nahavitany ilay «dictionnaire» lehibe efa natombony ary nisy sombiny navoakan’ny Akademia Malagasy taty aoriana (cf. Mamalan-kira, 21.08.2017 : «Mankasitra ny Misionera namaky olatra ny fampianarana»).

Tsy azo lavina koa anefa ny toetra sasany nampahamalailay ny fiaraha-monina : «Tsy izay Malagasy no hitsara ahy», hoy hono T.T. Matthews, rehefa niady izy Rajaonary tao Ambatonakanga (1893). Raha nitaraina tany amin’i Jeneraly Gallieni i J. Bianquis, febroary 1904, dia tsy ny maha pasitera MPF azy no navoitrany fa ny maha «citoyen français» azy no narangany imason’ireo Malagasy «indigènes». Tamin’ny 1928, raha nisaraka indray tamin’ny FFMA ny «Tranozozoro Antranobiriky», fony Émile Rajohson no Mpitandrina, dia izao indray no nolazain’i Pasitera Gustave Mondain : «Tokony hampatsiahivina ny Malagasy ny fanajana ny Vazaha»…
Nivoaka tamin’ny gazety «Teny Soa» (septambra-oktobra 1914) ny kabary nataon’i Pasitera Rabary (1864-1947) tao «Tranozozoro» ny sabotsy 14 aprily 1914. Fanoharana no nitondrany azy : ny trano vato vazaha, ny tanimanga malagasy, ny biriky tanimanga, ny vato zanatany. Ny Pasitera Émile Rajohson (1889-1948) indray dia nanome ho ohatra ireo tafondro malagasy, nafototry ny mpanjanatany : «Na mihohoko aza izy, mbola manoroka ny Tanindrazany».

Toa tsy dia mahagaga intsony raha tamin’ny Fiangonana protestanta ny ankamaroan’ny «Tia Tanindrazana» V.V.S. sy M.D.R.M. no nipoitra. Manao fomba «Tranozozoro»…

Commenter

Ce formulaire recueille votre nom et adresse e-mail afin que nous puissions valider votre commentaire. Veuillez consulter notre politique de confidentalité afin de prendre connaissance sur la façon dont nous protégeons vos informations.
Je consens à ce que L'Express de Madagascar collecte mon nom et email..

Cliquez pour commenter