Sulfate d’ammonium : misy tombontsoa fa mila mitandrina (Tohiny)


Ireto ny soso-kevitra atolotry ny SIAM : Ho an’ny Fanjakana : • Hamafisina ny fampiharana ny fepetra takian’ny lalàna mahakasika ny fampiasana ny zezika mineraly. • Tohizana ny ezaka amin’ny fanatsarana ny famokarana ka hamoraina hatrany ny fahazoana ireo hanam-pamokarana toy ny zezika. Tokony ho fomba fiasa maharitra ao anatin’ny politikan’ny famokarana izany ka tsy miova na misy fifandimbiasam-pitondrana aza. • Hamafisina ny fisian’ ireo sampan-draharaha manakaiky vahoaka hanazava ny fomba fampiasana ny zezika «sulfate d’ammonium». • Hamoraina ny fomba fanaovana fitsirihana ny tany mba hahafahana mamaritra ny fatran’ny zezika ampiasaina. • Atao mangarahara ny fomba famokarana io «Sulfate d’ammomium» io : ny toerana anaovana azy, ireo singa simika hafa mety manaraka io vokatra io ka mampiahiahy ny olona. Araka izany, tsy tokony hijanona amin’ny fitiliana ireo singa (N, P, K) mahazatra no hitsarana ireo zezika fa mila atao koa ny momba ny Rn, U, Ra, Cd, Hg, Cu... Izany dia noho izy io niainga avy amin’ny fitrandrahana «Nickel» sy «Cobalt». Tokony hazava ny «tracabilité» sy fanazavana momba ireo singa miteraka fanahiana. • Tsy atao latsa-danja koa ny fanapariahana sy famokarana ireo zezika organika mba haharaka ny fampiasana ireo zezika mineraly izay mety hitobaka. Tsy misaraka mantsy ny fampiasana ireo. • Tsara asiana fampitam-baovao faobe ho an’ny rehetra momba ny «sulfate d’ammonium» (ny tombontsoa, ny mila tandremana, ny fomba fampiasana azy), indrindra indrindra ny fampiasana azy io miaraka @ zezika biolojika • Tokony aparitaka ny sarintany maneho ny karazan-tany eto Madagasikara mba hahalalan’ny tantsaha isam-paritra ny tokony ataony sy ny fepetra arahina rehefa mampiasa «sulfate d’ammonium». Tsikaritra mantsy fa tsy mba nisy fampahafantarana sy fampiofanana mialoha ny tantsaha izy ity fa dia naparitaka fotsiny. Ho an’ny mpampiasa zezika • Ampiarahana foana amin’ny zezika biolojika, ary raha ilaina dia ampiana «dolomie», ny «sulfate d’ammonium». Izany no atao dia mba tsy hahatonga ny tany ho lasa may na asidra, no manatsara ny vokatra ihany koa. Ny fampiasana azy ho zezika rakotra («engrais de couverture») no anisan’ny ahazoana vokatra kokoa. • Hanaraka antsakany sy andavany ny fomba fampiasana ny zezika araka ny filan’ny tany sy ny voly atao. Ho an’ireo mpamokatra sy mpivarotra ny zezika «sulfate d’ammonium» • Haneho mazava ny «tracabilité» ny fomba famokarana sy ny famarotana • Handray anjara feno amin’ny fampianarana ny olona amin’ny fampiasana ny «sulfate d’ammonium». Izao kosa no resaka manokana tamin’i Thierry Randriarilana, Filohan’ny SIAM : Tsy maintsy atao izay hampandry saina ny olona amin’ny «traçabilité». Faharoa : mila tezaina ny olona fa ny fampiasana zezika dia miankina amin’ny voly atao sy ny tany hambolena azy. Noho izany, mila manao «analyse» ny tany hamantarana ny filany. Ny FOFIFA sy ny «laboratoire radio isotope» tokony afaka manatanteraka izany «analyses» izany. Tsara ny sarintany maneho ny karazan-tany eto Madagasikara saingy ny fambolena dia «dynamique», izany hoe isan-taona dia misy singa miala ka izay no ilàna fanampiana ny tany amin’ny zezika. Mila tsipihina ihany koa fa ny fisafidianana zezika dia miankina amin’ny fahafaha-manaon’ny mpamboly sy ny zava-misy. Raha maro ny zezika organika dia tsara foana iny no ampiasaina. Izay mbola afaka manao zezika organika dia aleo manohy raha tsara ny vokatra. Izay tsy afaka kosa dia mila mahay mifehy ny fatra sy ny fomba fampiasana ilay zezika mineraly ampivadiana amin’ny zezika organika. Marina anefa fa ilay sampan-draharaham-panjakana manatona ny vahoaka hampianatra sy hanoro azy no lesoka, tsy ampy ka samy manao izay saim-pantany.
Plus récente Plus ancienne