Mamalan-kira indray VANF - Fantatrao ve ny Nosy Malagasy ?


«Dinika Nosy Malagasy» : 9, 10, 11 desambra 2019. Tsy fiafarana mantsy ilay fihaonana teo amin’ny Malagasy sy ny Frantsay teny Andafiavaratra tamin’ny 18 novambra teo. Tsy fanombohana ihany koa satria efa efapolo taona izao isika Malagasy no nitondra ny raharaha teo imason’izao tontolo izao. Nosy Malagasy, inona ? Efatra no isany. Avy avaratra no mianatsimo : Glorieuse, Juan de Nova, Bassas da India, Europa. Nosy Malagasy ve ka toa tsy mitondra anarana malagasy ? Izay manoratra ny Tantara no mandrafitra ny Tantara : izy Eoropeana no mpanoratra, ny anarana eoropeana ihany no noraiketiny an-tsoratra. Izany no ahafantarana fa Portogey no nandalo sy nametraka anarana tamin’ny Juan de Nova, ny taona 1501. Frantsay no rendrika ka nanome anarana ho Glorieuse ilay nosy nanakana ny dian’ny sambo «Le Glorieux», tamin’ny 1751. Ny hoe Europa dia anaran’ilay sambo Britanika niserana teo tamin’ny taona 1774. Ny 23 febroary 1488 ilay Portogey Bartolomeu Dias no nihoatra ny tanjona atsimo indrindra amin’i Afrika ka niditra ny Ranomasina Indiana misy an’i Madagasikara. Sarotra no hino fa taonjato taona maro talohan’izany dia tsy nisy na dia iray aza, mpiandriaka Vezo na mpanjono Sakalava, tsy nahafantatra ireo nosy mitondra anarana vahiny ireo. Ny andian-tsambo betsimisaraka zatra mpandranto hatrany Mayotte talohan’ny taonjato faha 19 ve dia tsy nahita mihitsy ny Glorieuse ? Raha nampanao fikarohana ny Ministeran’ny Raharaham-bahiny, izay nanakinan’ny Fanjakana ny fanomanana ny fihaonana teny Andafiavaratra sy ny «Dinika Nosy Malagasy», dia nahitana ireto anarana ireto, fiantsoan’ny mpanjono malagasy ireo Nosy ireo : Sambatra no Glorieuse, Nosy-Kely no Juan de Nova, Bedimaka no Bassas da India, Ampela no Europa. Azontsika atao ny mangataka amin’ny Firenena Mikambana ny hametrahana ireo anarana malagasy ireo amin’ny sarintany : Indônezia dia efa nanao izay ezaka izay hatramin’ny 2011 ho an’ny nosikely an’aliny anaty fari-dranomasiny. Ilaina ihany koa no hamandrahana ireo anarana ireo anatin’ny boky fampianarana ny zaza malagasy. Tsara ho fantatra, tsy ho an’ny ankizy ihany fa ny lehibe ihany koa, fa ny Nosy Ampela/Europa, 330 km avaratra-andrefan’i Toliary, no lehibe indrindra, manana velarana 30 km2 ; ny Nosy-Kely/Juan de Nova no akaiky indrindra ny Tanibe Madagasikara raha 150 km fotsiny avy eo Tambohorano ; ny Bedimaka/Bassas da India dia safo-drano tanteraka raha tsy efa misintona ny ranomasina ; ny Sambatra/Glorieuse dia akaiky kokoa an’i Nosy-Be sy ny Tanjona Bobaomby (cap d’Ambre), tanjona avaratra indrindra amin’ny Tanibe-Madagasikara, izay 222 km atsimo-atsinanany, noho i Mayotte, mielanelana 253 km avaratra-andrefany. Ny lalàna frantsay tamin’ny 6 aogositra 1896, nametraka an’i Madagasikara ho zanatany frantsay, dia foana araka ny «accords de coopération» vita sonia ny 2 aprily 1960. Ny omalin’io anefa, 1 aprily 1960, no noesorin’ny Fanjakana frantsay antsokosoko tsy ho isan’i Madagasikara ireo Nosy efatra. Tsy malina loatra isika ka tsy nanamarika izany raha tsy niverenana nodinihina sy novaina ny «accords de coopération» Frantsa-Madagasikara tamin’ny 4 jiona 1973. Araka izany, tamin’ny 10 febroary 1976, dia nampatsiahivin’ny Minisitry ny Raharaham-bahiny malagasy tamin’ny Sekretera Jeneralin’ny Firenena Mikambana ny «zon’i Madagasikara ara-tantara» amin’ireo Nosy ireo. Mailo Frantsa ka ny 16 jolay 1976 dia nofaritany ny ZEE (zone économique exclusive, fari-dranomasina tsy ifampizarana tombontsoa) manodidina ireo Nosy efatra izy. Nahazo rariny teo amin’ny sehatra iraisam-pirenena anefa i Madagasikara, araka ny Fehinkevitra 34/91 lanieran’ny Fivoriamben’ny Firenena Mikambana tamin’ny 12 desambra 1979 : manonona mazava ireo Nosy efatra ireo ho «Nosy malagasy». Haintsika loatra, efa hatramin’ny 1890-1895, fa didin’ny be sandry ny fifandraisana iraisampirenena. Ezahina mba ho tan-dalàna ihany, saingy rehefa «sambo de guerre» no mibahana ny lakampiara, tsy maintsy miverin-dalana ny Malagasy. Na mitodi-doha miverina aza anefa isika, tsy milavo lefona fa mitaky hatrany ny fanambaràna ny maha Malagasy ireo Nosy singan-tanin’i Madagasikara ireo, araka ny lalàna iraisam-pirenena.
Plus récente Plus ancienne