Ny lova tsara indrindra


Raha mbola tsy manary toky ny firenena iray, ka mino sy matoky ny mponina ao aminy fa hiadana sy ho finaritra, dia isan’ny fototra iorenan’izany fanantenana izany ny fampiana­rana. Voaporofo hatrizay ka hatramin’izao mantsy fa na iza na iza firenena matanjaka eto ambonin’ny tany, dia matanjaka mifanahaka amin’izany ihany koa ny rafi-pampianarany. Ho antsika malagasy dia efa mazava fa ny fianarana no lova tsara indrindra, ny olombelona rahateo no harena; dia ireo zandry zanaka, handova sy hitantana ny ampitso hiarahamanangana. Vanim-potoana hiverenana an-dakilasy tokoa izao, ary tsy nisy ray aman-dreny tsy nanahy ny amin’ny hoe « inona no hitranga? »; tsy teto Madagasikara irery nefa izany. Niaraniaina tamin’ny Covid-19 avokoa mantsy ny firenena manerana izao tontolo izao ; nandalo fotoan-tsarotra ara-pihariana avokoa izy ireny, ary tsy nisy nahazo antoka fa « hisokatra ny sekoly ». Ny antsika malagasy ity manomboka, misy ireo firenena tsy manana izany fahafahana izany, saingy toa tandra vadin-koditra ny korontana madinika manodidididina azy. Ny an’ny tsy miankina iny efa nazava: fitadiavana toy ny asa rehetra ny fampianarana, fehezin’ny lalanan’ny tolotra sy ny tinady. Na nimenomenona tahaka ny inona aza ny ray aman-dreny amin’ny tokony hifampitsinjovana manoloana ny tsy fisiana nateraky ny Covid19, moa ve tsy voatery namerina ny dimbiny an-tsekoly ihany, ka nanefa ny saram-pianarana tamin’ny taon-dasa ary nanomana ny hiatrehana ity vao manomboka ity? Tsy maintsy ikipiana mantsy satria io no lova tsara indrindra. Ho an’ny sekolim-panjakana: tsy iverenana fa mazava ny fanapahan-kevitry ny mpitondra amin’ny andraisana an-tanana ny fampidirana ny mpianatra ary ny fampanandehanan-draha­- raha (kojakoja, fitaovana, tambin-karama…); fara-faharatsiny mandritra ny telovolana voalohany. Toa tsy ampy haharesy lahatra ny zatra korontana sy maty eritreritra nefa izany fanapahan-kevitra izany, ka mitaky tsy amin-kenatra ny hitazonana ny latsakemboka FRAM… ary mangataka « hanendrena tekni­- siana ho tompon’andraikitra » eo anivon’ny Ministeran’ny Fanabeazam-Pirenena. Izany no paik’ady efa nentina namotika io sehatra io tanatin’ny telo (03) taona farany, ka mbola misy miezaka mafy ny hanohy. Tsy mahazatra mantsy ny miasa anaty rafitra misy fenitra sy fitsipika, ka mitovy ny tanjona imasoana; mora kokoa rahateo ny « mitolona » sy « mitari-tolona » ahazoana na hihazonana seza, ka fampanantenana poak’aty sy tsy azo tanterahina no hanaovana voady amin’ireo sakaiza. Tsy mandeha ho azy ny fanekena fa asa fanompoana tanindrazana ny asampanabeazana, ka ketraka ambony ihany vao tapaka ireo lalan-kitan-kisoa fambotriana ray aman-dreny sy mpiara-miasa. Tsy azo terena ny fandavan-tena hikolokolo ireo solofo dimbin’ny ala, raha fitadiavana fidiram-bola raikitra sy azo antoka no nidirana ho mpampi­- anatra mpanabe. Fotoana izao hanitsiana famindra amin’ny lafiny rehetra, saingy tsy azo hirotorotoana sao tratran’ny miadana eo. Mitsangana ireny ny sekoly, zaraina ireny ny fitaovana, tohanana ireny ny mpanabe, ampiana ireny ny ray amandreny, amporisihana ireny ny kilonga; marina, efa misy izany fa tsy ampy. Tsy anatin’ny indray mipi-maso nefa no hantenaintsika hananana rafi-pampianarana lafatra tsy misy mpanana eto an-tany; hazakazaka arahintosika izany ka tsy ilaozan-tsembantsembana. Ny hany hery hanohizana: ny fianarana no lova tsara indrindra, ary ny zanaka no harena.
Plus récente Plus ancienne