Mamalan-kira indray VANF : Ministry ny bakalorea labozia


Ity lahatsoratra ity dia atolotro manokana ho an’ireo mpianatra nanala bakalorea andro alina, tsy nanan-jiro ankoatra ny labozia, tetsy amin’ny CEG Ambohimangakely. Enga anie ka tsy nisy roa na telo hafa ny «bakalorea labozia», satria iny tranga tokana iny ary dia efa tafahoatra. Ary mihoatra ny loha. Mampi­vandravandra ny tsy firaharahiana ny Fanabeazana amin’ny Politika ankapoben’ny Fanjakana. Fatin-javatra rehetra izao andrianina fa ny Fanabeazana sy ny Fianarana ary ny Kolontsaina atao sisasisa, ambin-javatra, ambanin-javatra. Henatra sady heloka. Rankizy, enga anie ka ho afaka bakalorea avokoa ianareo na dia fepetra tsy rariny tahaka ireny aza no nanadinana anareo. Amin’ny fiainanareo ho avy, tadidio io teny io, «tsy rariny» : fadio, alaviro. Rankizy, tongava amin’ny ambony indrindra, mitozoa amin’ny fianarana, fa io no tohatra fiakarana tsara indrindra amin’ny fiainana. Amin’ny fiainanareo ho avy, tsarovy ihany koa io teny io : «Fianarana». Tandremo tahaka ny anakan­driamaso, anokano ny herinareo manontolo, ampitao am-pitiavana amin’ny taranaka fara aman-dimby. Indray andro any, mety hisy lasa ho Ministry ny Fanabezana ny sasany aminareo. Tandremo manao ny fomban’ny Ministry ny Fanabeazana rehetra nifandimby teo, variana amin-javatra hafa tsy fantatra ka tena tsy niraharaha ny Fanabeazana nampiandraiketina azy. Manangàna sekoly manara-penitra manerana ny Nosy, ataovy tomombana ny efi-trano atokana ho lakilasy, ny seza hipetrahan’ny mpianatra, ny latabatra hanoratan’ny ankizy. Hofano hahay indrindra izay hampianatra, omeo ny mpampianatra ny haja amam-boninahitra mendrika ny asa masina iandraiketany ary atokano ho azy ny vola fitaovan’izany asa izany. Aza adino fa mandeha ila ny Fanabeazana sy Fianarana ary Kolontsaina raha tsy misy ny boky (na boky taratasy io na boky elektrônika) izay sady fanitaram-pahalalana no fifampitam-pahalalana amin’ny zanak’olombelona sy ny taranaka mifandimby. Rankizy, indray andro any, mety hisy ihany koa, sasany aminareo ho lasa Filoha. Tsinjovy manokana ny sahirana, ireo «kamboty sy malahelo» izay antony nampitovian’An­drianam­poinimerina sata ny Tsena sy ny Rova. Aoka tsy hisy tany lavitra Andriana intsony : mitoka-monina, tsy misy jiro, tsy misy rano, mandry an-driran’antsy. Izay tsy rariny nihatra taminareo, fadio indrindra mba tsy hampijaly na hampiferinaina na iza na iza intsony. Aoka mba tsy hisy intsony ny «bakalorea labozia», ka asandrato ny Fanabeazana sy ny Fianarana ary ny Kolontsaina : ny Fanahy no maha-olona hoy ny Ntaolo, ireo toko telo ireo kosa no antoky ny Firenena, anio, ampitso, mandrakizay.
Plus récente Plus ancienne