Aleo manontanintany foana toy izay manaotao foana


«Tsy fetin’ny vohitra na fianakaviana iray ny Taombaovao malagasy fa fetin’ny Malagasy tsy ankanavaka» : izany moa no filôzôfia nitondran’ny «Taranaka Ambohidrabiby» sy ny «Trano Koltoraly Malagasy» ny «Taom-baovao malagasy» izay «marque déposée» napetrany tamin’ny 2009. Nanao Famelaran-kevitra (iniako arahina ny «Dictionnaire Abinal-Malzac», taona 1888, ka inoana fa ahitana kokoa ny rakibolan’ny Ntaolo) moa ry zareo nanazavana indray izany «Taom-baovao malagasy» izany, ary indrindra namaly ny fanontaniana miverimberina hatrany isaky ny migadona ny vanim-potoana tahaka izao. Fanontaniana ohatra : maninona no misy «taombaovao» roa toa mifanipaka volana ary ifandroritan’ny isam-bohitra ? Ny valin-tenin’ny Taranaka Ambohidrabiby sy ny Trano Koltoraly moa dia hoe amin’ny vanimpotoana iakaran’ny vokatra, fararano iotazana, mahavoky vahoaka, no mifampiarahaba falifaly, satria ny lohataona no vanimpotoana indray kosa hiasana ny tanimbary ary hamafazana. Izao anefa. Amin’ny fiteny taloha dia misy ny hoe «fararanom-bari-aloha» sy ny «fararanom-bakiambiaty». Hoy ny Firaketana (I, 300 sy 301) : «AMBIATY : Rehefa mivelatra ny voniny (volana août) dia fotoana famafazan-ketsa, atao hoe vakiambiaty aorian’ny varialoha izay afafy aoriana kelin’ny fararanom-bakiambiaty volana mai (...) miomana hamafy ny vary vakiambiaty faramparan’ny volana juillet». Misy oha-pitenena ihany koa, «Erika mamonto ambiaty» : ilay ranonorana mikija amin’ny tsinam-bolana août, amin’ny fanetsam-barialoha sy ny fiomanana amin’ny famafazan-ketsam-bary vakiambiaty. Oha-pitenena hafa, «Ny ambiaty va no tsy mahalala taona sa ny ranonorana no manao vatravatra : mahasadaikatra raha mbola avy ny orana anefa ny ambiaty dia mpamony alohan’ny firotsahan’ny ranonorana mampisara-taona». Hoy ny Rakibolana (Régis Rajemisa-Raolison, 1985) : «VARY VAKY AMBIATY, vary afafy amin’ny fivelaran’ny vonin’ny ambiaty, izany hoe amin’ny volana septambra, mifanohitra amin’ny atao hoe VARY ALOHA izay afafy amin’ny volana avrily sy mey». Raha fehezina avokoa izay voaangona tamin’ny 1885 (Richardson), 1888 (Abinal-Malzac), 1939 (Firaketana) ary 1985 (Rakibolana) dia misy fararanom-bary roa izany eto Imerina satria mamafy sy manetsa indroa. Raha tsy nilofo nanao varialoha miampy varivakiambiaty ny Ntaolo dia mosarena teo. Efa niezaka nanao izany aza mbola niharan’ny mosary fito hono tamin’ny andron’Andriamasinavalona, mosary voaraiki-tadidy ary nomena anarana : Imavovava, Imiambohobe, Imifontsamilahy, Imamahantsofinjaza, Ielatrakoho, Itsimiofy ary Ilalimaso. Ilay fotoana efa mahalany ny ao an-tsompitra anefa ny eny an-tsaha mbola tsy afaka jinjaina iny no natao hoe «antanandany». «Hany fahavalo ny mosary», «hany manda fefilohan’Ikopa» : izany no nanajariana ho sompitra an’i Betsimitatatra izay hetrina lehibe talohan’Andrianjaka (nanjaka 1610), araka ny lovantsofina. Natomboka tamin’Andrianjaka hono ny fefilohan’Ikopa ary notohizan’ ireo mpanjaka nandimby azy teto Antananarivo hatramin’ny andron’Andrianampoinimerina (niamboho 1810) : izany hoe roanjato ngarangidina no nilofosana, nikararakana sy nikolokoloina io Betsimitatatra io dia izy io sempotra ambany ranontany io, hatramin’ny 1910 nisokafan’ny «Gare Soarano» ka nahatonga ny olona hilingilingy hanorimponenana anaty honahona sy tanimbary taloha. Fararanom-bari-aloha, Fararanom-bary vakiambiaty : azoko ekana tsara mihitsy ny fampifanojona ny zavatra rehetra atao amin’ny toe-tany sy ny toetrandro misy ny Nosintsika fa tsy hanara-kefa ny fanaon’ny hafa fotsiny (ohatra : fête de la musique, 21 mey, ao anaty hatsiaka mamirifiry aty amintsika anefa any Eoropa izy io dia fetin’ny Masoandro ; ohatra : hanao rebareba Dadabe Noely, akanjo ririnina, anefa ny antsika 25 desambra izany, tsy azo iainana ny hafanana). Noho izany indrindra ary no mahavelom-panontaniana ahy : raha fararano roa sosona, moa ve izany taombaovao roa sosona ?
Plus récente Plus ancienne