Ny mpihavy sy ny zanatany


Herintaona tahaka izao, volana septambra 2019, may kila ny ala an’arivo hektara tao Ankara­fantsika. Misy manao saribao hono ao. Misy mamboly katsaka hono ao. Faritra voaaro anefa. Ankarafantsika, Faritra Boeny, distrikta Ambato-Boeny sy Marovoay, 114 km miala avy ao Mahajanga. Raha ny famaritan’ny Madagascar National Parks, mitantana ny valan-java-boahary, dia ahitana tanàna kely miisa 133 manodidina ary ny foko Sakalava no zanatany ao. Misy doany fanajan’ny Sakalavan’ny Boina ny fomban-drazany ao, hoy ny Mpanjakan’ny Boeny raha nasaina nanao sonia ilay taratasy niombonana: «Tao aorianan’ny fihaonana teto Ampijoroa... Fiarovana toy ny anakandriamaso ny valan-javaboaharin’Ankarafantsika...Hanentana ny mponina rehetra (mpihavy sy zanatany)»... Fa iza ireo mpihavy? Voalaza matetika fa Foko avy any Atsimo ireo miditra ny ala misy doany ao Boina ireo. Raha mbola tsy tondroina amin’ny anarany ireo olona ireo, tsy ho voavaha tanteraka ny olana. Satria ny famotehana ny ala sy ny zavamaniry ao Ankarafantsika dia efa vokatry ny zava-misy any Atsimo. Sao tsara jerena ny olana efa mety nitranga tamin’ny faritra hafa voakasiky ny fikisahan’ireo olona ireo mianavaratra hatrany. Inona marina ihany koa ny olana manesika ireo olona ireo handao ny any Atsimo. Tsy mampitovy hevitra, na vaha-olana na olana vaovao hafa indray ny fifindra-monina anatiny. Nosy Madagasikara anivon’ny riaka. Nosy anatiny ny isam-poko valo ambin’ny folo vao tsy ela akory, izany hoe talohan’ny 1896. Ary hatramin’ny 1959, tanteraky ny Repoblika malagasy ve ny nametraka tetezana ara-kolontsaina tamin’ireo Foko samy hafa ireo? Misy indray hiteny fa efa nilaozan’ny toetr’ andro izany resaka Foko izany. Vao tamin’ny zoma 28 aogositra 2020 no voalaza mazava ny fisian’ny «zanatany» sy ny «mpihavy». Ary isan’ny nanao sonia izany ny solontenam-panjakana.
Plus récente Plus ancienne