Misy ny teny natao mahavantana ho tenina. Misy ny teny fanoratra fotsiny. Ary mety tsy ho azon’ny mpamaky izay tian’ny mpanoratra ho lazaina. Raha hiresaka andavanandro, iza no ndeha hiteny hoe «mpivaro-tena» fa ny hoe «makorelina» no mby am-bava voalohany indrindra. Ary mazava amin’ny olona iresahana, fa tsy voatery haka «Rakibolana» izy. Sendra naheno tamin’ny «chaîne télé» (ahoana izany hoy ny Rakibolana?) niantso hoe «mpanofa-vatana» ireo notondroina mahazatra hoe «mpivaro-tena». Araka ny fanazavana e tsy ambony, na ny hoe «mpivaro-tena» aza teny-soratra fa tsy tenyvava ka mainka fa ity noforomporonina vaovao ity indray. Mompera moa ry Abinal sy Malzac, Jezoita nanangona ny voambolana anatin’ny dictionnaire taona 1888, ka tsy hitako ao anatiny ny teny hoe «Makorelina». Zato taona taty aoriana, raha nandahatra ny «Rakibolana» (1985) Itompokolahy Rajemisa-Raolison, dia nanome izao famari- tana izao: «Makorelina: vehivavy mivelona amin’ny fitondran-tena ratsy (takila 562) ; Tsimihorirana: anarana nilazana fahiny ny vehivavy izay manao ho antom-pivelomana ny fivarotan-tena (takila 989)». Raha nojereko tany amin’ny «Mpi» raha noraisin-dRajemisaRaolison ny hoe «Mpivaro-tena», dia tsy dia gaga loatra aho tsy nahita izany takila 763: sarotra ho azy angamba no nampisesy ny teny hoe «Mpivarotra», miaraka amin’ny oha-pitenena toy ny hoe «Mpivaro-tena», anefa ny teny hoe «Mpivavaka» no nasehony manaraka avy hatrany ary nentiny namarana moa ny litera M. Misaotra azy anefa nahatadidy izany tenin’ny Ntaolo izany, «Tsimihorirana», izay efa voaangona tokoa tamin’ny andron-dry Mompera Abinal sy Malzac. Marihina fa, ilay hoe «tsy mihorirana», dia tsy ny vatana mitsilany na mihohoka akory, fa ilay fomba fiteny ankolaka avy amin’ny fototeny hoe «rirana» ka midika hoe «midify», «miala», «mandà». Tsimihorirana efa hatramin’ny andron’ny Ntaolo ny mpivaro-tena. Izay itsarana azy indray, na tsara na ratsy, na mety na tsy mety, kabary hafa. Tsy misy fiaraha-monina ka mbola tsy nahitana mpivaro-tena. Eny fa efa hatramin’ny Testamenta Taloha, boky nanangonana ny Tantaran’ny Jiosy an’arivo taona nialoha an’i Jesosy, no nahitana ny mpivaro-tena. Ao amin’ny dika-teny malagasy, izay vita printy tamin’ny 1835, dia natao hoe «vehivavy janga». Ao amin’ny Bokin’i Josoa (2,1): «vehivavy janga», Rahaba, no nanafina ary nanavotra ireo iraka nalefa nizaha tao Jeriko; setrin’ny hetsika nataony, dia nangataka izy ny hanavotana ny rainy, ny reniny, ny anadahiny, ny rahavaviny «ary izay rehetra mety ho azy». Tsimihorirana, mpivaro-tena: izany no zaka, teny, tarona, efa raikitra-ho-volana, raiki-bolana. Ho sadaikatra ireo Ntaolo taloha raha sendra ka tononina amin’ny anarana hafa ireo mpivaro-tena efa nahazatra azy. Sao ka hahasolafaka azy, tahaka izay nanjo an’i Joda (Genesisy 39, 15-18): Tamara, ilay maty vady tokony nentin-doloha, kanefa nanary ny lamba maha mpitondratena azy, ary nandry tamin’i Joda rafozandahiny. Tamin’izany no nahateraka azy mirahalahy kambana, Zera (na hoe «Fiposahana») sy Fareza (na hoe «Fibosesehana»). Ao anaty Baiboly avokoa izany, ka izay tsy nanota taminareo no aoka hitoraka azy ireo.