Sulfate d’ammonium : misy tombontsoa fa mila mitandrina


Ho fandraisana anjara amin’ny fifampitaizana manodidina ny zezika «sulfate d’ammonium», dia indro ampahany saika manontolo tamin’ny fanambaran’ny SIAM (Syndicat des Ingénieurs Agronomes Malagasy) tamin’ny 22 febroary 2023 : «fandinihina teknika mijery mahitsy momba ny sosialy sy toe-karena ary ny mety ho vokany amin’ny tontolo iainana», hoy ny Filohany. Tsara rehefa miteny ny olona nianatra manokana. Tokony mihaino ireo teknisiana ny mpanao politika fa tsy manapaka irery. Tsy maintsy mahafantatra izay mila tandremana ny mpamboly hampiasa azy. Tsy atao tompon-trano mihono ny vahoaka hihinana ny vokatra mba hialan’ny ahiahy tsy ihavanana. Na ry zareo samy ingénieurs agronomes aza dia misy naneho ny ahiahiny. Iza no hitily matetika ny zezika sy ny fampiasana azy ? Efa mijoro ve ny aro-fanina rehetra ? Ho araka ve ny fampiharana sy fanaraha-maso ireo fitandremana isan-karazany ? Madagasikara malaza «bio» anefa ho «lotoina» zezika simika, ny any ivelany aza manenina tongotra aman-tanana nampiasa ny zezika simika, hoy ny andaniny. Ny SIAM moa dia miteny fa «ny fampiasana zezika mineraly, miaraka na tsia amin’ny zezika organika, no mamelona sy hamelona izao tontolo izao». Ary raha manaiky ny fampiasana malina ny «sulfate d’ammonium» ny SIAM dia manantitrantitra kosa ny tsy maintsy ampiasana azy io miaraka amin’ny zezika organika/biolojika. 1. Momba ny sulfate d’ammonium Ny « sulfate d’ammonium » dia zezika mineraly na simika fampiasa eran’izao tontolo izao efa aman-jato taona. 2. Ny zava-misy • Tsy ampy ho paikady hiatrehana ny fahavitantena ara-tsakafo ny fampiroboroboana ny fambolena biolojika • Raha ny fomba famokarantsika ankehitriny dia mbola tsy ahafahantsika miatrika na ny tsena anatiny na ivelany. Ny katsaka hafarana, ohatra, dia mbola mora vidy noho ny eto antoerana sady tsy ampy rahateo ny vokatra misy no lafo ny enti-mamokatra azy. • Ny tsy fampiasana sy tsy fahafahana misitraka hanampamokarana araka ny tokony ho izy. Mbola ambany ny tahan’ny fampiasana zezika (10kg/ha tamin’ny taona 2020 hoy ny FAOSTAT sy ny Banky iraisam-pirenena) raha oharina amin’ny ireo firenen-dehibe mpamokatra (Union Européenne: 59kg/ha). Hita taratra izany amin’ny fahakelezan’ny taham-pamokarana eto amintsika. • Manampy trotraka koa ny tsy fampiasana araka ny tokony ho izy ireo teknikam-pambolena, ireo hanam-pamokarana, ny mbola faharefoan’ny fanapariahana ny teknika, ny fahasarotan’ny fahazahoana ireo hanam-pamokarana sy fitaovana. 3. Ny vokatsoa amin’ny fampiasana « Sulfate d’ammonium » • Teto Madagasikara dia efa nanaovana fanandramana tamin’ny fambolena vary ny «sulfate d’ammonium» ka nahitana vokatra tsara (Papriz, fanjakana niaraka tamin'ny Fofifa sy Fifamanor 2012-2013) na teo amin’ny vary an-drano izany na tamin’ny vary an-tanety. • Raha ny vokatra no resahana dia ny tany nampiasana zezika NPK sy zezika organika («engrais de fond») ary nampiasana «sulfate d’ammonium» natao «engrais de couverture» dia nahazoana vokatra mihoatra ny 4T/ha. Ireo tsy nampiasa zezika organika dia latsaka kokoa (3.6 - 3.8 T/ha. Ireo tsy nampiasana «sulfate d’ammonium» («engrais de couverture») dia latsakin’ny 3T/ha. Ny tany novolena t@ zezika organika fotsiny dia tena latsaka (latsakin’ny 1.5 T/ha) araka ny tatitry ny FOFIFA (2014). • Ny «sulfate d’ammonium» dia anisan’ny manatsara, mandamina ny «pH» n’ny tany, indrindra ireo be sokay («calcaire») sy be tanimanga («argileux»), ireo tany izay sokajiana ho «basique» toy ny tany sasany any amorontsiraka, ireo baiboho sasany nialan’ny rano, sns. 4. Ny tsy maintsy tandremana rehefa mampiasa azy sy ireo zava-dratsy mety hitranga • Mety hisy fiantraikany ratsy amin’ny tontolo iainana ny fampiasana tsy araka ny tokony ho izy ny «sulfate d’ammonium». Miha asidra na miha masiaka ny tany rehefa be loatra ny fampiasana azy. Manimba ny atitany sy ireo bibikely miaina ao aminy. Mandoto ny rano sy ny rivotra ihany koa ireo «singa tsy ampiasain’ny voly» izay very. • Mila ampiana noho izany ny mpamokatra rehefa hampiasa azy. Mila mazava tsara ny momba ny tany, ny filan’ny tany, ny firafitry ny tany na fahafahana manatsara azy amin’ny fitondrana sokay sy zezi-pahitra, ny fifehezana ny teknikam-pambolena, ny fanajana ny fampifandimbiasam-boly : izany dia ho fisorohana ny mety ho fatra mihoatra sy ny fandotoana be fahatany ny tany, ny rano ary ny rivotra. (Hitohy)  
Plus récente Plus ancienne