Fa vahoaka inona loatra re itony e !


Manorisory mampalahelo, ka tsy hita ihany izay hanaovana azy. Izay no hitako hamintinana ny hatezerana mifangaro fangorahana mahita ireny mpivady mitondra zaza ambony scooter ireny. Zaza iray : matory am-pofoan-dreniny izay tsy manana afa-tsy tanana iray sisa hisaringotany amin’ny akanjon’ilay vadiny mitondra ny scooter. Zaza roa : ny iray mijoro eo anoloan’ny rainy mitondra ny scooter, ny faharoa terena anelanelan’izy mivady. Zaza telo : fa mahazaka olona dimy moa izany ny scooter ? Izany rehetra izany eo ambany mason’ny «mpitandro filaminana». Fa jerem-potsiny. Sa sanganehana koa ny pôlisy sy ny zandary ? Tezitra noho tsy fitandremanan’ireto raiamandreny, anefa mitsetra ihany kosa satria hoe «Io ary no fananany, anefa izy koa mba te hitsangatsangana, tsy voatery miandry elabe ary misisika taxi-brousse»... Saingy raha misy ny tampoka, ka mipitika ireny zaza ireny, fitsangatsanganana inona loatra no mety hiafara any am-pasana tahaka izay efa nitranga ? Ozona kosa no asetry ny tsy fisainan’ireny andiana scooter mifanenjika amin’ny Lalam-pirenena ireny. Misongotsongona, manao lahara-telo mibahana ny antsasaky ny arabe, dia misisitsisika tampoka raha vao misy fiara mifanena. Ny ati-doha aloha tsy haiko, fa mahay «code de la route» fotsiny ve aloha ireny olona ireny anefa avela mameno tanàna (ny CM hitako efa tonga hatramin’ny laharana 70.000 : misy scooters fito alina izany eto Antananarivo fotsiny...) ? Raha misy ny fifandonan’izy samy izy ka mibolisatra tampoka ambany fiara, ny mpitondra fiara indray no ho sahirana hitondra any amin’ny hôpitaly na ilàna vaniny tsotra izao. Raha mifandona amin’ny fiaran’olona, mba manana «assurances» ara-dalàna ve ireny scooter ireny sa jerem-potsiny indray koa ny zavatr’olona simba ? Ny pôlisy sy ny zandary moa tsy antenaina intsony satria efa fantatra fa mitazam-potsiny. Fa ny raiamandrenin’ireny olona ireny angamba sisa no mbola afaka hisintona ny scooter mba tsy hirimorimo mbola vantotra hanitsy ny varavaram-pasana. Saingy, rehefa minia te hamono tena ireny olona ireny, iangaviana mba tsy hanelingelina ny olona hafa fa vitao mangina any ambadika any. Ny scooter moa izany, amin’ny tany mahantra ohatran’i Madagasikara, dia tsy vitan’ny fitaingenan’olona fotsiny, fa fibatana gony, fitondrana tavoahangy gaz fanaovana tsingina (soudure), fitatarena kisoa. Ataon’ilay mpitondra mitsivalana eo an-tongony ny gonim-bary na atsivalany ao an-damosiny ny gaz, vy be, hazo, ka scooter iray efa hitovy velarana amin’ny fiara. Raha manimba zavatr’olona na mandratra olona moa izany ireny dia ahoana ihany koa sa entina moramora ? Izaho efa nahita kisoa nampatorian’ilay mpitondra mitsivalana eo ambony «porte-bagage» : mikiakiaka izay tsy izy ilay biby satria sady matahotra no mety marary satria ny lohany sy ny tongony mikiraviravy ka dia ny kibony sy ny hazondamosiny sisa no heriny. Fa ahoan’ilay olona inona moa izay fijaliam-biby ? Tahaka ireny omby sasatra eny ambony camion ireny, tahaka ireny akoho torana eny ambony tafon’ny taxi-brousse ireny, tahaka ireny akoho amam-borona lanjaina amin’ny tongony ireny... Mampalahelo manorisory ilay Gasy. Tsy ampy fitaizana. Na simba fitaizana satria raha ny tantara re sy ny resaka heno ifanaovan’ny efa Lehibe dia toa «hafa taloha», indrindra hoe «tamin’ny andron’ny Vazaha». Asa raha izao toe-tsaina tia kitoatoa ankehitriny izao ilay «Fahaleovantena» sy «Fahafahana» niadivan’ny VVS sy ny MDRM ary ry zareo tamin’ny 1947.
Plus récente Plus ancienne