Ny voninahitra kelin'ialahy isany avy


Hatramin’ny fiverenan’ny fiandrianam-pirenena (fa FIFOHAZANA mantsy ireny 26 jiona 1960 fa tsy hoe FAHATERAHANA vaovao, satria isika, hatramin’ny 23 oktobra 1817 dia FANJAKANA nifanerasera tamin’ny Britaina, Frantsa, Amerika, Alemana), nanononana ny hoe «Repoblika Malagasy», taona 1959, dia nanao lalan-kita-kisoa ny antsoantso hoe «misy mpanongam-panjakana» rehefa sendra ny sarotra. Ny hany tena fanonganam-panjakana nisy, ary nahavita, dia iny tamin’ny 17 marsa 2009 iny : tsy nandefa fampilazana, tsy nanao hogahoga, tsy niantso an-gazety, fa avy hatrany dia vavany ka na ny tompony aza tratra aoriana. Isak’izay sahirankirana ny mpitondra dia mahita mpanongam-panjakana atao «perquisition» na ho «samborina». Izaho aloha, izay miandrandra fiainana politika mba tsara rindra tahaka izay hita any Eoropa, dia malailay fonosona mihitsy isak’izay mahita ny hafitsok’ireto mpisavoro politika gasy ireto : aongano, savao, sambory! Misy zavatra hafa ankoatra izany azo atao leitsy a ! Taizao ny olon’ialahy isany hanana kolontsaina politika fa izany no andraikitry ny antoko politika ; Ampianaro ombieny ombieny ny votoatin’ny teny «Repoblika», izay azo fehezina tsotra hoe tsy fanjakazakan’olon-tokana na sehatra aiza na lafiny inona ; Dia mba iaino, ampiharo, ataovy latasy, fa rehefa tsy lany amin’ny fifidianana akory tsy voatery ho hala-bato fa meteza manaiky hoe ialahy mihitsy no tsy izy ; Aoka tsy ny voninahitra kelin’ialahy no hampihinana ny tsy fihinanany ny vahoaka sy ny firenena ! Ramatahora, laingam-panjakana, tondro-molotry ny mpialona : fomba nampianarin-dry Marcel de Coppet namotehana ny MDRM (ry Ravoahangy sy Raseta nametraka volavolan-dalàna, tany Frantsa, mba hiverenan’ny Fahaleo­vantena, dieny taona 1946) ; no nentin’ny PSD (Tsiranana) nandrahona ny AKFM ; nataon’ny AREMA (Ratsiraka) fitaovana hanampenam-bava ny MFM sy ny MONIMA ; nolovain’ny TIM (Ravalomanana) nanaovana ampihi-mamba ny Antenimiera sy ny Faritra ; nohararaotin’ny HAT (Rajoelina) nananganana ny polisim-panamborana FIS ; dia izao vohizin’ny HVM (Rajaonari­mampianina) izao hanangam-pahavalo efa maty, ka hampitsangana ireo ho Lazara martiora. Ny politika mihaja, any amin’ny firenena fitaratra, dia kabary maty paika, fandresena lahatra, lanieram-pifidianana. Eto amintsika Madagasikara, dia io rotaka midina an-dalambe io no fomba fanao mba takatry ny sain’ireto mpanao politika tsy mendrika ny vahoaka entiny, ary indrindra tsy mendrika ny Tantara nolovana tamin’ny «Razantsika hendry». Fa atao inona Lalam-Panore­nana raha tsy ho hajaina  Ianao mpitondra manao azy toa anakandriamaso. Ianareo milaza ho mpanohitra mba manaiky ny fe-potoana nifampitsofan-drano. Izay mihitsy mantsy ilay sampona amintsika Malagasy : tsy mahay manaja fotoana, fa tara lava ; saingy tsy mahandry tantana rehefa iangaviana hahandry tantana. Isak’izay tsy ho faly, na tsy nahazo seza, na very fihinanana, ka hoe «aongano». Hafa indray mantsy ny hoe «miala am-panajana». Azy iny. Izy, laniera, araka ny Lalàna fototra izay mbola hajaina hatreto aloha, na sadasada maha­tsiravina aza. Eo mihitsy isika izao: raha ny fomba nitondrana iny référendum tamin’ny 2010 iny aza efa ahiahy tsy nihavanana ; izay votoatiny indray koa mainka namoan-tsampona amin’iny andininy 54 ity ; aiza ny Antenimiera hanamboatra io Lalàna io, sa hanova azy manontolo ? Tsy ny hateza eo amin’ny fitondrana no inona. Fa ny hamela mamy ho vantanina. Tsy ho maty maso. Ho velon’anarana. Tsy ho fanakora, zary teny ratsy, ompa razana. Raha mahay, dia izay no fitondrana : mitsinjo izy entina, mba hitsinjovany ahy mitondra. Tsy mila diplaoma be izany, tsy mila galona, tsy mila voninahitra : toetra tsotra, fanahy maha olona, mahalala oniny, manaja tena, manaja olona. Fa izay mahay mifanaja no mifankatoky. Par Nasolo - Valiavo Andriamihaja
Plus récente Plus ancienne