Accueil » Magazine » Jona : volan’ny teny Malagasy, volan’ny Ankizy, volan’ny Fahaleovantena – Asandrato ny maha Malagasy anao !
Magazine

Jona : volan’ny teny Malagasy, volan’ny Ankizy, volan’ny Fahaleovantena – Asandrato ny maha Malagasy anao !

Ramalagasy. Maro ny fanontaniana mifamahofaho ao an-tsaina, amin’izao an-katoky ny fankalazana ny faha-56 taona namerenana ny fahaleovantenantsika izao. Santionany ihany ireto tanisaina ireto: midika inona amintsika marina izany fahaleovantena izany  Tsapantsika eo amin’ny fiainantsika andavanandro ve izany  Tena mahaleo tena marina ve isika  Nataontsika, ataontsika ary hataontsika inona ilay fahaleovantena azo 

Ankalazaina foana tokoa isan-taona ny nahazoantsika ny fahaleovantena, fa zary lasa fahazarana fotsiny ihany sisa izany, ka asa raha mba maro ny olompirenena mametraka ireo fanontaniana eo ambony ireo amin’ny tenany. Ny tena mampalahelo aza dia toa mihavitsy ny isan-tokantrano no mametaka ny sainam-pirenena rehefa migadona ny volana jiona ka manjary voatery manao fanentanana amin’ny haino aman-jery ny fitondrana mba hanaovana izany.
Amin’ny saina mandinika anefa Ramalagasy, tsy tsapanao ve fa tsy tokony hisy akory izany fanentanana izany raha toa ka tena misy dikany amintsika marina tokoa ny atao hoe fahaleovantena   Any amin’ny firenen-kafa anefa, tena tsapa mihitsy ny fiara-mientan’ny olom-pirenena ary tena misy lanjany tokoa izany « fetin’ny fahaleovantena » izany. Fa maninona ny antsika, Ramalagasy, no tsy mba toy izany  Sa sanatria an’ny vava, tsisy dikany amintsika akory ilay fahaleovantena ka tsy omentsika  lanjany ?

Basin’ariary fito
Apetraka amintsika tsirairay avy ny fanontaniana, satria fotoanany tokoa izao hitadiavantsika valiny mazava. Eny tokoa, Ramalagasy, hitohy mandritra ny fotoana tsy voafetra ny zava-misy iainantsika amin’izao fotoana izao, raha mbola kamo isika hikaroka ny valin’ireo  fanontaniana ireo. Asa raha mba tsapanao, Ramalagasy, fa firenena marary isika. Anisan’ny fanafodin’izany ny fahatongavantsika saina fa tsy hitora-bato an-dRafanja lava foana no atao.
Fantaro fa samy tompon’andraikitra daholo isika mianakavy amin’ny zavatra iainan’ny firenentsika amin’izao vanim-potoana izao, ka mahatonga ilay fahaleovantena azontsika ho zary lasa basin’ariary fito. Adinonao ve anefa, Ramalagasy, fa nisy aina tsy tambo isaina
latsaka anie vao azontsika izany e  Dia ho ataontsika toy ny tsy nisy ve izany, sanatria  Sao dia fotoana izao tokony hifohazana amin’izay, Ramalagasy malala ?

Maro ny dihim-paritra ka tokony ho velomina mba tsy ho resin’ny avy any ivelany.
Maro ny dihim-paritra ka tokony ho velomina mba tsy ho resin’ny avy any ivelany.

Valala be mandry
Tokony miova toetsaina isika manomboka eto, raha tena tiantsika ny tanindrazantsika. Izany hoe mba mandray anjara bebe kokoa amin’ny fiainam-pirenenana na dia amin’ny farany bitika aza. Aza lany andro miady varotra amin’ny mpanao politika amin’izany fiovana izany, fa rehefa miova isika olompirenena dia tsy ho ataon-dry zareo tsinontsinona intsony ny fahaleovantena azontsika io. Tokony mampiseho isika fa saro-piaro amin’izy io, ary tsarovy fa tsy ho voasanda vola velively ny fitiavan-tanindrazana.
Ny olona ve saro-piaro amin’ny azy dia ianao tsy mba ho toy izany, Ramalagasy  Ahy, anao, antsika ny firenena, toy izany koa ny fahaleovantena fa tsy an’ny mpanao politika irery, ka mijoroa ary raiso ny andraikitra tandrify anao raha toa ka tianao marina ny tanindrazanao. Asio vidiny sy dikany ilay fahaleovantena, Ramalagasy, mifohaza mba tsy ho valala be mandry intsony ianao, fa ho olompirenena mandray andraikitra, tonga saina ary mandray an-tanana ny hoaviny!

Mbola tsy ampy ny boky enti-mianatra ny teny malagasy.
Mbola tsy ampy ny boky enti-mianatra ny teny malagasy.

Inona no azo atao mba hikoloana sy hanandratana ny maha-malagasy antsika amin’izao volana jiona ankatoky ny asaramanitra izao ?
Ezaka manokana mila ataontsika Malagasy amin’izao Iray volan’ny teny malagasy izao ny miteny malagasy madio amin’ny andavanandro. Tsy azo hadinoina fa ny teny dia zava-miaina ka maty sy very vetivety raha tsy ampiasaina sy kolokoloina izy. Entanina isika rehetra mba hamelona indray ny tenin-drazantsika izay toa zary voailika sy atao an-kilabao… Iresaho teny malagasy ny zanakao, manoràta amin’ny teny malagasy tsy misy akotry, ankafizo ny haisoratra malagasy, henoy sy vetsoy ny hira malagasy… Zavatra tsotra azo atao eo amin’ny andavanandro ireo!
Aza hadinoina koa ny manjifa ny entana sy vokatra malagasy. Adidintsika ny manandratra avo sy misintona miakatra ny lanjan’ny vokatra avy eto amintsika. Misy ny vokatra rehetra ilaina eto Madagasikara, na sakafo io, na firavaka, na kilalao, na akanjo, ka nahoana isika no toa variana sy babon’ny entana avy any ivelany ? Aoka isika hirehareha amin’ny maha-Malagasy antsika ary hanohana ny toekarentsika. Tsy hisy fahagagana hitranga eto fa tsy maintsy isika ihany no hanavotra ny tenantsika.
Ka andao ary e! Manana iray volana manontolo isika hisaintsainana izany rehetra izany, ary enga anie mba tsy ho mandritra ity volana Jona ity ihany isika no hiaina ny maha-Malagasy antsika, fa isan’andro, isan’ora!

Ampiasao ny talentanao, mandraisa anjara amin’ny fifaninanana Soràty ny Demokrasia 2016!
Raha feno 15 taona no miakatra ianao ka tia manoratra sy mandalina ny fiainam-pirenena, valio ao anatin’ny teny 500 ka hatramin’ny 800 ity fanontaniana ity, amin’izay teny safidianao (Malagasy, Frantsay na Anglisy)
Ny demokrasia dia mira fitovian-jo. Moa ve mbola mety ho foana ny fahantrana eto Madagasikara ? Mbola mety ho foana ve ny elanelana eo amin’ny samy Malagasy, sa raharahan’ny sarangany sy ny farimpiainany  Hazavao ny hevitrao.
Alefaso aminay mialohan’ny 31 jolay 2016 :
Liberty 32 – Fifaninanana «Soràty ny demokrasia»
Logt I 3 Batimad Ankorondrano, Antananarivo 101 – Madagascar
Tél.: +261 34 15 154 12 – E-mail: liberty32.madagascar@gmail.com – ww.facebook.com/Liberty32.Madagascar

Loka mahafinaritra no hozaraina amin’ny mpandresy!

Pejy tontosaina miaraka amin’ny Liberty 32