Asakasakareo


Fomba ka ataon’ny mahalala : «Arahaba, Tratry ny taona». Sambasamba, Andriamanitra Andriananahary, sambasamba ho arivo tratran’ny taona mitsingerina. Fa na hisambasamba fahazato faharivo eto ary isika, fantatra sahady ihany koa fa «ny fiainana eto, mizara toko roa toa voamainti-ilany», araka ny hiran’i Justin Rajoro (1889-1949) :
Taolana makiana mitafy vovon-tany ny olona rehetra salama na marary Dia taona azo isaina dia rembim-pasana any Hatrany am-piandohana nitady ody aina Ka mandrak’androany dia mbola miala maina
Manantena hatrany isika isaky ny taom-baovao, saingy efa firy taona, ohatra, no tokony nametrahana toby «sapeurspompiers» ao Soanierana-Ivongo fa tsy hiandrasana mandritra ny adin’ny enina ireo mpamono afo avy any Foulpointe ? Firy taona ihany koa, ohatra, no tokony nitsinjovana «sécurité incendie» tao amin’ny Jirama Andekaleka ? Miandrandra foana isika, isaky ny volana janoary, fa toa ny omaly tsy miovan’ny volana desambra ihany no vantanina firy taona firy taona. Ny sisin-tanin’i Madagasikara moa izany dia kiloadoaka ka na voaheloka mandositra sazy na volamena aman-jato kilao dia tafaporitsaka tonga any Afrika atsimo na any Kômôro. Makarakara ihany koa, ka tsy misy mahita ny olona telopolo amby zato miampitapita raha tsy sanatria rendrika an-dranomasina ny sambo. Sady mahari-pery isika no tsy lany faniriana, ny fampanantenana ihany koa tsy ialam-bola. Manàna ary be hovangoana, ho samy komohina avokoa, tsy ho ory amby ampy. Saingy, «Asakasakareo», toy ny ambaran’ity tononkalon’Ny Avana Ramanantoanina (1891-1940) ity :
Horakoraka anjaran’akanga kalokalo fanaom-boromanga F’asakasakareo Rodaroda fanao-dranotrambo Setrasetra no fomban’ny lambo F’asakasareo Dinidinika sisa lazaina Hafatrafatra anao sombiniaina F’asakasakareo Erinerina, Ankaratra ihany Olonolona, Andringitra izany F’asakasakareo Sasasasa ny rano an-driana Olikolika be fiviliana F’asakasakareo
Plus récente Plus ancienne