Antsakaviro sy Betongolo


Choléra-virus, hoy Bekoto atsy ambadika atsy. raha izao ianao no mitady sakamalao, tamotamo, tsy mahita intsony. Nifandrombahan’ny olona avokoa ireo vao nigadona teto Madagasikara i Covid-19. Tahaka izany koa ilay tambavy aTa (aro tsimoka aretina) vao navoakan’ny iMra (institut malgache de recherches appliquées) : nirohotra nankeny amin’i «Ratsimamanga» avokoa indray ny olona. Tsy lavitra ny Gasy mihitsy ny raokandro. sery vitan’anamalaho, kohaka vitan-tantely, aretin-tenda vitan’ny sirahazo sy voasary makirana... Mampalahelo anefa fa io doro-tanety tsy misy farany io, ny fandringanana ny ala ho saribô, dia isan’ny manafongana ireny zava-maniry fanafody ireny. aiza anefa ny fahendren’ny Ntaolo fahiny : manodidina ny rovan’ambohimanga dia nambolen’ andrianampoinimerina (fa azo inoana fa efa nialoha azy) ala hitahirizina ireny zavamaniry ireny. izany no Farmasia fahagola. Analamanga no anaran’antananarivo fahiny elabe. ankoatran’ireo dobo (Farihin-drasahala, antsahatsiroa, andohalo) tsy lavitra ny rova, ny lemaka nanodidina ny tanàna kosa dia fambolena. Betsimitatatra efa diso fantatra loatra na dia antanimbarinandriana aza sisa no anaran-tsy very afovoan-tanàna tamin’izany lemaka midadasika fahiny izany. Ifampitadiavana hoy isika teo ny sakamalao ary ny tongolo nisondro-bidy. Misy anaran-toerana eto antananarivo mbola mirakitra ny voly nataon’ny Ntaolo : antsakaviro etsy ambanin’antsahabe sy Betongolo ery andafin’ampahibe. Ny sakaviro dia sakamalao ihany, fa voanteny very tadidy eto imerina. Fa na saha-tsakaviro na sahatongolo, efa tanin’anandrano avokoa sisa no mba hanondroana ireo saha mbola tsy voatototra «remblais» atsinanan’antananarivo ireo. Rehefa tsy tevy ala sy doro-tanety mantsy ny antsika dia fanotofana tanimbary sy tanimboly. Tsy misy ravintsara, farehitra, vahona, satrikoazamaratra, rotra, sns, azo antenaina haniry anefa amin’ny arabe vita «goudron» sy ny «lotissement béton». saingy izany moa no safidintsika. Tsy mba nampivadiana akory, hifanindran-dalana, ny alakelin-draokandro sy ny fonenan’olombelona, fa nahilika avy hatrany ny sakaviro sy ny tongolo. ankoatra izay efa nanaovana ny vary, manomboka etsy ankadimbahoaka ka hatrany laniera. Koa raha lany ny sakaviro, lafo ny tongolo, ilaharana ny vary, isika ihany no nandrora mitsilany. «Mafy loha sa mahery saina, Ra-Malagasy ?» hoy ihany Bekoto, manontany atsy ambadika atsy.
Plus récente Plus ancienne