Chronique de Vanf Opinions

Na taom-baovao isan’andro aza

Isika olombelona ihany no manana aina manisa andro sy manara-bolana. Ka isaky ny roambinifolo volana, dia mifanome fotoana amin’ny arahaba isan-tokonam-baravarana. «Tratry ny Taona», hoy ny andaniny. «Samy ho tratry ny arivo mitsingerina», hoy ny ankilany. Izy roa samy mahalala fa firariana fe firariana ihany izany. Omaly alahady, androany alatsinainy, raham­pitso talata : tao anatin’izay fifandimbiasan’ny andro izay, fifandimbiasana tsotra faran’izay tsotra, no nivarina ny taona teo aloha ary nisandratra sasak’alina ny taona vaovao.
Na inona na inona firariana hifampizarana etsy sy eroa, iza no mbola hino fa ho vaovao avokoa ny andavanandro ? «Vaovao», izany hoe «hiova» : ny fahefa-mividy isan-tokantrano hiakatra tampoka, ny toe-karena malagasy hatanjaka tampoka, ny vola malagasy hitsaha-mitambotsitra tampoka, ny tany ama-monina handry fahizay tampoka, ny fitiavan-tanindrazana hilatsaka tampoka tahaka ny fanahy masina… Na taiza na taiza, na oviana na oviana, eny fa na taom-baovao isan’andro aza, tsy hoe satria niova ny taona dia raikitra ny fahagagana.
Ka inona ary no dia hanaovantsika ho toa zato ity andro voalohan’ny taona vaovao ity ? Tamin’ny andro taloha, raha teto Madagasikara fotsiny, dia fomba fiteny ny hoe «antomo-dava tahaka ny andro Fandroana». Ny Fandroana dia fanamarihana ny taom-baovao fony faha-Mpanjaka : tamin’izany andro izany, mety ho mbola azo noheverina hoe fiverenena an-kisavorovoro, «retour au chaos primordial», «ordo ab chaos», ny dingana rehetra tetezina mandritra ny alim-pandroana, eny fa na hatramin’ny hadimiana ambony mialoha sy ny hadimiana ambany manaraka aza.
Ankehitriny, inona no «ordo ab chaos» tontosain’izao tontolo izao ny 31 desambra ? Tsy misy ! Hifaly – hisotro, hihinana, hihira, handihy, hikorana – izay no tanjona tokana nimasoana vao nananontanona fotsiny ny volana desambra.
Taloha, ilay «fitsingerenan-kisavorovoro» nialohavana sy narahina sorona : ny rà, ny rano, ny tany, ny rivotra, ary ny afo no fandio. Miafara amin’ny fanavaozam-pitokisana eo amin’ny Andriamanjaka, «Razana-Nahary-an-tany», sy ny Ambanilanitra ny lanonana.
Omaly, izany hoe tamin’ny taona lasa, na teto Madagasikara na isaky ny firenen-drehetra, fifalifaliana no didy tokana sady hentitra. Mitsikia, miravoa, mibitaha. Androany, izany hoe amin’izao taom-baovao izao, fanantenana isan-karazany no hany filamatra. Tsy Naly Rakotofiringa ihany, fa isika olombelona ihany koa no hany manan’aina mahafan­tatra loatra fa «ny zavatra atomboka rehetra, dia hifarana hatreo amin’ny fetra, ny mateza dia tsy misy firy, fa na misy aza, angamba dia kiry, ny endrika sy bika soa, dia samy ho simba avokoa, na tanjaka na hery, dia mihena ary koa mihavery, satria, raha tonga amin’ny fetra, dia hifarana toy ny rehetra»… Mba tsy hamoizam-po angamba izany no isian’ny «Tsingerim-panantenana» isaky ny roambinifolo volana…

Par Nasolo-Valiavo Andriamihaja

Commenter

Ce formulaire recueille votre nom et adresse e-mail afin que nous puissions valider votre commentaire. Veuillez consulter notre politique de confidentalité afin de prendre connaissance sur la façon dont nous protégeons vos informations.
Je consens à ce que L'Express de Madagascar collecte mon nom et email..

Cliquez pour commenter