Tetezan-dRapeto


Sady malahelo no tezitra, isaky ny mandalo etsy AnkeranaNanisana. Mieritreritra hoe io dongon-tany akarin’ny Sogea io dia nofontany notrongisina tamin’ny tendrombohitra. Ny vohitra mierinerina hatraiza taza-maso anefa no nanome ny anarana hoe Imerina. Izao fanotofana etsy sy eroa izao dia sady manabotry ireny vohitra ireny no mambotry Tantara. Tsaroana tsy afaka am-bava anefa ilay «Iry tendrombohitra tomandavana / Soa malomaloka, mavamavana (Ny Avana, taona 1925), nindramin’i Dox tamin’ilay hoe « Ry tendrombohitra tomandavana / Nankaiza indrisy! Nankaiza Ny Avana» (taona 1940). Tany anie izao natototra hatramin’izay 16 jolay 2018 izay e! Niala teny amin’ny bypass ambanin’Ambohipeno, nandalo ambany atsinanan’Ambatomaro, tonga aty am-pototr’Ambohimahitsy, mamaky an’i Soamanandrariny ambodin’Ambohibe, dia io mipoitra etsy Ankerana-Nanisana io, vao hihazo an’Andranobevava: 8 kilo­- metatra sy 200 metatra ny halavany, 12 metatra ny habeny, ary 6 metatra sy sasany ny haavon’ny ranontany. Havoana kely iray izany raha natao ampiantany. Any an-kafa anefa aleon’ny olona misahirana manao tetezana. Mba tsy hanimbana farihy sy tanimbary, heniheny sy hetrina ary honahona. Mamahana ny rano hanovozana avokoa mantsy ireny : aleo hatrany etsaka sy diboka, toy izay maina ho ritra. Angamba, mety tsy azo hanina ny arabe; fa indrindra, tena tsy azo sotroina. Misy tetezana roa ihany: mita an’ Ampasimbe (20 metatra) ary mandingana an’i Soamanandrariny (47 metatra). Saingy aiza ho aiza amin’ny zava-bitan’ny Sinoa: lalamby 1318 kilometatra mampitohy an’i Beijing sy Shanghai, misy ny tetezana roa lava indrindra eto ambonin’ny tany, 164 sy 114 kilometatra avy. Tetezana Rapeto sy Darafify. Eo koa ny HZMB (Hong Kong - Zuhai - Macao Bridge), 55 kilometatra mamakivaky ranomasina: misy tetezana 23 kilometatra mihantona amin’ny tadyvy ary miafara amin’ny arabe, efa ho folo kilometatra ny lavany, intelo ny velaran’ny bypass, anefa dia tsy mitehi-tany fa entin’ny tongo-tetezana 117 andaniny avy. Ny RN5 eo anelanelan’i MananaraAvaratra sy Maroantsetra dia nahavitana tetezana valo ambin’ny folo: 13 tapitrisa euros no sarany, raha novinavinaina ho 62,8 tapitrisa euros ity rocade eto Antanana­- rivo ity. Mety ho lafo noho ny manototra «remblais» ny manamboatra tetezana, saingy tsy voavidy vola ny rano voazimba­- zimba etsy Betsimitatatra, Laniera, Imeri­- manjaka, Andranovory, Andranobevava. Hatreto aloha dia mbola Gallieni sy ireo nandimby azy no nahavita ny lalamby Antananarivo-Brickaville (1909), BrickavilleTamatave (1913), Moramanga-Lac Alaotra (1915), Antananarivo-Antsirabe (1923) ary Fianarantsoa-Manakara (1936). Nofiko indray taona (Chronique VANF, 22 avril 2016), raha vao andalana io arabe mamaki­- vaky an’i Laniera io, hoe hisy tetezana makadiry manao dingan-dRapeto sy Darafify ka avy eo Tsarasaotra tonga dia eny Ivato. Izany, indray andro any, vao ho tsangambaton’ny Repoblika malagasy.
Plus récente Plus ancienne