Accueil » Onjam-piainana » Ankizy navelan-drainy hifoka sigara
Onjam-piainana

Ankizy navelan-drainy hifoka sigara

Kely dia efa mirotsaka amin’ny fifohana sigara ny ankizy, ankehitriny. Tokony ho foanana ny famantarana manokana amin’ny fonon-tsigara hampihenana ny faharisihana handray izany.

Nahazo alalana avy amin’ny ray aman-dreniny hifoka sigara i Eddy, ankizilahy 15 taona mipetraka etsy Ankorondrano. «13 taona no nanomboka nanandrakandrana nifoka sigara aho. Niera tamin’ny dada anefa aho aloha, vao nanapa-kevitra ny ho roboka amin’izany tanteraka. Tsy mibedy ihany koa i neny, saingy any amin’ny takotakona aho no asainy manao izany, mba tsy ho hitany», hoy ny fitantaran’ity zazalahy ny fanombohany nandray ity karazana zava-mahadomelina ity. Kely tokoa dia efa nirotsaka tamin’ity fahazarana manimba ny fahasalamana ity i Eddy. Efatra isan’andro ny sigara fohany, ka izy ihany no mitady vola hividianana izany, raha ny voalazany.
Sombiny amin’ireo ankizy mirotsaka amin’ny fifohana sigara aloha loatra, i Eddy. Raha ny hita amin’ireo toeram-pandihizana natokana ho an’ny tanora mantsy, dia betsaka tokoa ireo mpifoaka sigara, ary tsy mifidy na lahy na vavy.
Ny kabarin’ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Mamy Lalatiana Randria­manarivo, nandritra ny andro iraisam-pirenena ho an’ny ady amin’ny paraky sy sigara no nahafantarana fa mananika ny 20% ireo tanora eo anelanelan’ny 15 taona hatramin’ny 22 taona, mirotsaka amin’ny fifohana sigara.
Vina iraisam-pirenena hampihenana ny faharisihan’ny olona handray ity karazana zava-mahadomelina ity, ny fanovana ny fonon-tsigara ho tsy misy famantarana.
Fanentanana
Izany rahateo no lohahevitra amin’ity andro iraisam-pirenena amin’ny ady amin’ny fandraisana zava-mahadomelina ity. Hirotsaka tsikelikely amin’izany ihany koa i Madagasikara. «Hatao kely dia kely ilay soratra manamarika hoe inona ilay karazana sigara. Mbola hapetraka eo kosa ilay sary fanehoana ny voka-dratsin’ny fandraisana azy». Manentana ireo tompon’ andraikitra mba hanamafy orina ireo fepetra mikasika ny fonon-tsigara ary mba ho entitra amin’ireo fepetra mikasika ny fanafohanana ny dokam-barotra, ny minisitra. «Hamoraina ny fandrafetana ireo politika momba ny fonon-tsigara tsy misy marika sy ny fampiharana azy, hohamafisina ny fiarahamiasa eo amin’ ny fanjakana sy ny mpiara- miombon’antoka, amin’ny fanatanterahana ireo dingana ahatongavana amin’ny fonon-tsigara tsy misy marika», hoy izy.
Mbola dingan-davitra ny fanatanterahana izany eto amin-tsika. Ireo lalàna efa nipetraka hatramin’izay aza mantsy, tsy voahaja akory, raha tsy hiteny afa-tsy ny fandrarana ny fifohana zava-mahadomelina amin’ny toerana mihiboka, izay jeren’ny mpampihatra lalàna fotsiny ihany.
Raha voahaja anefa izany, tokony hihena ireo olona tratran’ny homamiadana eto amintsika. Antony lehibe voalohany mahatonga ny homamiadana mantsy ny sigara, araka ny voalazan’ny mpitsabo.

Miangaly Ralitera.

Commenter

Ce formulaire recueille votre nom et adresse e-mail afin que nous puissions valider votre commentaire. Veuillez consulter notre politique de confidentalité afin de prendre connaissance sur la façon dont nous protégeons vos informations.
Je consens à ce que L'Express de Madagascar collecte mon nom et email..

Cliquez pour commenter

Voir aussi